Mahafantatra ny Teny

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mandresy an'i Satana isika amin'ny alalan'ny ran'ny Zanak'ondry, saingy mampihatra amim-pahatsorana ve isika izany fahamarinana izany? Ianaro ny fomba hijoroana ho vavolombelona amin'ny tenin'Andriamanitra izay milaza ny ataon'ny ran'i Jesosy ho anao ary mandehana amin'ny fandresena.
Mino aho fa nasehon'ny Tompo ahy tamin'ny alalan'ny fahalalana ny Soratra Masina ny fomba ahafahantsika mandresy an'i Satana. Ny ankamaroan’ny Kristiana dia mahafantatra fa tsy maintsy mandresy azy isika amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny fijoroan-tsika ho vavolombelona. Nefa maro no mirona hanao izany ho karazana fehezan-teny miverimberina manao hoe: "Mangataka mafy ny ra aho ... mangataka mafy ny ra aho." Tsy te hanamaivana ny hasarobidin’izany fanao izany aho, saingy hitako hoe indraindray dia tsy mahagaga ny devoly izany. Mieritreritra aho fa tokony hampihatra izany amin'ny fomba feno tanjona kokoa isika.
- Ahoana no handresena an’i Satana amin’ny alalan’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny fijoroan-tsika ho vavolombelona? Singa telo no tafiditra:
- Ny ra;
- Ny Tenin'Andriamanitra; ary,
Ny fijoroan-tsika ho vavolombelona. Ary toy izao no handikako ny fampiharana ny Apokalypsy 12:11: Mandresy an’i Satana isika rehefa mijoro ho vavolombelona manokana ny amin’izay lazain’ny teny ny amin’ny ataon’ny ran’i Jesosy ho antsika.
Mazava be fa raha hijoro ho vavolombelona momba izay lazain'ny Teny fa ataon'ny ra ho antsika isika dia tsy maintsy mahafantatra izay lazain'ny Teny fa ataon'ny ra isika. Ao anatin’ny herinandro maromaro ho avy, dia hojerentsika izay lazain’ny Tenin’Andriamanitra fa vitan’ny ran’i Jesosy ho antsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô, noho ny ran’i Jesosy. Noho izay lazain’ny Teny, dia manambara aho fa naharesy an’i Satana tamin’ny nanambarako izay nataon’ny ran’i Jesosy tamiko. Mijoro ho vavolombelona manokana amin’i Satana aho ny amin’izay lazain’ny Teny fa ataon’ny ran’i Jesosy ho ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-001-MLG









