Fanafoanana ny Fahotana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny ran'ny zanak'ondry Paska dia tsy nanome fiarovana raha mbola tao anaty lovia izy, ary nisy dingana lehibe tsy maintsy natao alohan'ny nampiharana azy. Ity sary mahery vaika ity dia mampiseho izay tokony hataontsika mba hanadiovana ny ota sy hamela ny ran'i Kristy hanarona ny lafiny rehetra amin'ny fiainantsika.
Rehefa mijery indray ny lanonan’ny Paska ho an'ny Isiraely isika, dia mahita fanontaniana iray mirehitra ho an'ny fampiharana ataontsika anio:
Ahoana no ahazoantsika ny ra latsaka — rehefa vita ny sorona—ho any amin'ny toerana misy antsika?
Raha mbola mitoetra ao anaty bakoly ny ra dia tsy misy vokany tsara izany. Misy izy io, saingy tsy mahavita na inona na inona. Tsy maintsy naka an’io zava-maniry tsotsotra antsoina hoe hysopa io ny Isiraelita, ka natsobony tao amin’ny ra, ary nokapohiny teo ivelan’ny tranony teo amin’ny tolam-baravarana sy teo ambonin’ny varavarana. Tamin’izay vao voaaro izy ireo. Saingy tamin'ny lanonan’ny Paska dia nisy zavatra hafa nialoha ny fametrahana ny ra.
Andao hojerentsika ny 1 Korintiana, izay nampiharan’i Paoly ny fampianaran’ny Paska sy ny Andro Firavoravoana amin’ny Mofo tsy misy masirasira tamin’ny Kristiana. Tsy maintsy nesorin’ny fianakaviana Jiosy rehetra izay nisy masirasira tao an-tranony nandritra ny fito andro. Mbola mitandrina izany fanao izany ny Jiosy Ortodoksa ankehitriny.
"Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao hianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika; ka dia aoka isika hanao andro firavoravoana, tsy amin'ny masirasira ela, na amin'ny masirasira lolompo sy faharatsiana, fa amin'ny mofo tsy misy masirasira, dia ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.” (1 Korintiana 5:7–8)
Isika koa dia tsy maintsy manadio ny masirasira taloha — dia ny ota — amin'ny fiainantsika mba hiainana amin'ny fankatoavana an'Andriamanitra. Izany dia ahafahan'ny ra miaro ny faritra rehetra amin'ny fiainantsika.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-004-MLG









