Sorona Tanteraka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Ny famafazan-dra impito nataon'ny mpisoronabe tamin'ny Andro Fandravonana dia nampiseho mialoha ny soron'i Kristy. Ity boky fandinihana ity dia mampifandray izany fomba izany amin'ireo fomba nandatsahan'i Jesosy ny rany mba hanatanterahana ny fanavotana.
Ny andro lehibe indrindra tamin’ny taom-pivavahan’ny Jiosy dia ny Andro Fanavotana, fantatra ankehitriny amin’ny hoe Yom Kippur. Tamin’io andro io ihany, no niditra tao amin’ny Masina Indrindra ny mpisoronabe nitondra ny ran’ny sorona nanarona ny fahotan’ny Isiraely nandritra ny herintaona.
“Dia hangalany [ny mpisoronabe] ny ran'ny vantotr'ombilahy ka hafafin'ny fanondrony amin'ny rakotra fanaovam-panavotana eo amin'ny lafiny atsinanana; ary ny eo anoloan'ny rakotra fanaovam-panavotana koa dia hofafazany ny ra impito amin'ny fanondrony.” (Levitikosy 16:14)
Ny ra irery ihany no afaka nanolotra fanavotana ho an’ny otan’ny vahoakan’Andriamanitra, ary tsy maintsy nentina teo anatrehan’Andriamanitra Tsitoha ao amin’ny Masina Indrindra. Tiako ho tsikaritrareo manokana fa nafafy impito ny ra. Tsy kisendrasendra izany fiverenana izany, satria ao amin’ny Baiboly, ny isa fito dia manondro ny asan’ny Fanahy Masina. Fito koa no isan’ny fahafenoana, na fahatanterahana. Izany fitsipika izany dia tanteraka tamin’ny fomba nandatsahan’i Jesosy ny Rany. Nalatsaka impito marina ny Rany talohan’ny nahatanterahan’ny fanatitra.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-006-MLG









