Ny Refin'ny Fitiavany

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Tsy tamin'ny teny fotsiny no nanehoan'i Kristy ny fitiavany, fa tamin'ny alalan'ny ainy izay nafoiny mba hanavotana ny olombelona. Ny fandatsahana ny rany impito dia nanatanteraka ny lamin'ny fanavotana ary mampiharihary ny halehiben'ny vidin'ny fitiavan'Andriamanitra.
Tamin’ny Andro Fanavotana dia tsy maintsy nafafy impito teo anatrehan’Andriamanitra Ray ny ran’ny fanatitra (jereo ny Levitikosy 16:14). Hitantsika fa tanteraka tokoa io fitsipika io tamin’ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ao amin’ny Testamenta Vaovao.
- Tonga ra ny Hatsembohany;
- Ny miaramila Romana namely ny Tavany tamin'ny totohondry sy ny tsorakazo;
- Nokapohin’izy ireo tamin'ny karavasy Romana Izy;
- Nosintonina ny Volombavany;
- Nosatrahohana tsilo lalina ny hodi-Dohany;
- Ny Tanany sy ny Tongony nofantsihana fantsika;
- Nolefon'ny lefona ny lanivoany.
Izany no refin’ny fitiavan'i Kristy. Lany ara-Bakiteny ny zavatra rehetra Nanànany. Tsy nahafoy fotsiny ny Voninahiny sy ny seza Fiandrianany ary nyFahalehibiazany amin’ny maha- Andriamanitra Azy Izy. Tsy nahafoy fotsiny ny Fananany vitsivitsy teto an-tany Izy tamin’ny naha-olombelona Azy teto an-tany. Nanome ny Tenany Izy. Ny Ainy no Nalatsany tamin’ny Rany ho vidim-panavotana. Eritrereto izany zava-misy mampitolagaga izany ary fantaro fa izany no refin’ny fitiavan’Andriamanitra. Efa tena tafahoatra izany, amin’ny filazana ambany aza.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa nanome izay rehetra Nananany Izy — nandrotsaka tanteraka ny Ainy — mba ho afaka amin’ny ota aho. Mijoro ho vavolombelona manokana amin’i Satana aho ny amin’izay lazain’ny Teny ny amin’ny ataon’ny ran’i Jesosy ho ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-007-MLG









