"Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, dia izay navotany ho afaka tamin'ny tanan'ny fahavalo." (Salamo 107:2)

Ity fanambarana ao amin'ny Soratra Masina ity dia iray momba ny zavatra ataon'ny ran'i Jesosy ho antsika mpino. Andeha hojerentsika koa ity andininy ao amin’ny Efesiana ity:

"Izy [Kristy] no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany." (Efesiana 1:7)

Mariho, mialohan’ny rehetra, ny mba hahazoana ireo tombon-tsoa ireo dia tsy maintsy ao amin'i Kristy isika. Tokony ho tena mpino an’i Kristy isika. Rehefa ao amin’i Kristy isika, dia ny fanavotana amin’ny alalan’ny Rany no zavatra voalohany azontsika.

Ny hoe manavotra dia midika hoe “mividy indray”, na “mandoa vidim-panavotana”. Teo am-pelatanan’ny devoly isika taloha ary azy isika. Nandoa ny vidim-panavotana tamin’ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana anefa i Jesosy mba hividianana antsika.