"Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, dia izay navotany ho afaka tamin'ny tanan'ny fahavalo.." (Salamo 107:2)

Mety ho fantatry ny olona sasany fa navotana tamin'ny tanan'ny devoly izy ireo; ny hafa kosa tsia. Fantatro tsara anefa ny toerana nisy ahy talohan’ny nahatongavan’i Jesosy teo amin’ny fiainako; Tsy manana ahiahy momba izany aho. Fantatro hoe manao ahoana ny hoe eo am-pelatanan’ny devoly, ary tsy te ho eo intsony aho. Fantatro koa, araka ny voalazan’ny Soratra Masina, fa ny ran’i Jesosy no nanafaka ahy tamin’ny tanan’ny devoly sy ho eo an-tanan’ny Mpiandry Tsara. Hoy Jesosy momba ny Olony:

“Ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tànako.” (Jaona 10:28)

Izany no famindrana avy amin’ny tanan’ny devoly ho eo an-tanan’ny Tompo.

Saingy mariho fa ity famindrana ity dia mandaitra ary afaka mitondra soa ho antsika irery ihany rehefa manao zavatra iray isika: rehefa “milaza izany” isika. “Aoka izay navotan’i Jehovah no hilaza izany”. Raha navotana ianao dia lazao! Raha tsy miteny izany ianao, dia tsy mandaitra ny fanavotana anao. Ny teny fijoroan-tsika ho vavolombelona no mahatonga ny ra mandaitra.