Ny Fiarovan’ny Tsitoha

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mampanantena fiainana feno fiarovana ho an'ireo izay mitoetra ao amin'ny fitoerana miafin'ny Avo Indrindra. Ianaro ny fomba amohan'ny teny aloaky ny vavanao izany fampanantenana mahery vaika izany, mba hahatonga an'Andriamanitra ho fialofanao sy batery fiarovana ho anao manokana.
Ny Salamo faha-91 dia nantsoina hoe “salamo taona atomika”. Salamo fiarovana tanteraka amin’ny karazana faharatsiana, sy loza, ary fahavoazana rehetra izany — na ahoana na ahoana mety hitrangan’izany, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fotoana inona. Kristiana maro no mahafantatra tsara an’io andalan-teny io. Fa andeha hojerentsika fotsiny ny andininy roa voalohany:
"Ny mitoetra ao amin'ny fierena izay an'ny Avo Indrindra dia monina eo ambanin'ny aloky ny Tsitoha." (Salamo 91:1)
Ny teny hoe mitoetra amin’ny teny Hebreo dia midika hoe “mijanona ny alina”. Izy io dia teny izay ampiasaina matetika hilazana ny fihetsika fijanonana mandritry ny alina. Izany, no milaza amintsika fa mandritra ny ora maizina, ny tena mpino dia ho eo ambanin’ny aloky ny Tsitoha. Mariho ny andininy faharoa:
"Izaho hilaza an'i Jehovah hoe: “Fialofako sy batery fiarovana ho ahy Izy Ary Andriamanitro, Izay hitokiako.’” (andininy 2)
Ity no efitra fidirana, làlana fidirana, ho ao amin’ny fiarovana tanteraka amin’ny andininy sisa amin'io salamo io. Izany dia fijoroanao ho vavolombelona: “Holazaiko izany.” Raha tsy miteny ianao, dia tsy hanana izany ianao. Ary mila faherezana ny milaza ny manaraka ao amin’ny Salamo faha-91. Fa ireo izay milaza azy io ihany no manana zo hiaina ao anatin’izany soratra masina marina izany. Ny tenin'ny fijoroanao ho vavolombelona no mahatonga izany handaitra.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-011-MLG









