Noforonina sy Novidiany

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Amin'ny alalan'ny tantara tsotra momba ny zazalahy iray sy ny sambony very, dia mahita fahamarinana lalina momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika isika. Azy amin'ny fomba roa sosona ianao, satria ilay Andriamanitra namorona anao ihany no nandoa ny vidiny farany ambony mba hividianana anao indray.
Ity misy fanoharana iray nolazaiko tamin’ny vondron’ny Maoris Polinesiana, izay mpanao sokitra hazo lehibe, mba hanehoana ny vidiny naloan’i Jesosy mba hanavotra antsika amin’ny fahotantsika.
Nisy ankizilahy iray nanao sokitra hazo sambo kely tsara tarehy. Indray andro dia nentiny nankany amin’ny ranomasina ho alefa izany, saingy niova ny rivotra ka nitondra ny sambony ho any an-dranomasina. Koa satria tsy afaka namerina ny sambony izy; dia nody tsy nisy izany.
Tamin'ny fiakaran'ny rano indray dia niverina indray ilay sambo, ary lehilahy iray nandeha teny amoron-dranomasina no nahita azy. Nojereny ilay sambo ka hitany fa tsara tarehy ny fanamboarana azy, ka namidiny tamin’ny mpivarotra iray izay nanadio azy ary napetrany teo am-baravarankely, nametahana sarany mba ho amidy.
Nony afaka kelikely, nandalo teo amin'ilay fivarotana ilay zazalahy ary nahita ny sambony. Fantany avy hatrany fa azy io, saingy tsy nanana fomba hanaporofoana izany izy. Noho izany, raha te hamerina izany izy, dia fantany fa tsy maintsy hividy izany izy.
Nanomboka niasa izy mba hahazoana ny vola tamin'ny fanasana fiara, manapaka bozaka, ary asa hafa. Rehefa nahangona ny vola ilaina izy tamin'ny farany, dia niditra tao amin'ilay fivarotana izy ary nividy ny sambony. Noraisiny teny an-tanany izany, ary nohazoniny teo amin’ny tratrany izany, dia hoy izy: “Ahy ianao ankehitriny! Izaho no nanao anao ary nividy anao.”
Alaivo sary an-tsaina ny tenanao ho toy izany sambo izany. Mety hahatsiaro ho tsy mendrika na tsy misy vidiny ianao; mety hanontany tena ianao raha tena miahy tokoa Andriamanitra. Fa hoy ny Tompo aminao: “Ankehitriny dia Ahy avy roa heny ianao — Izaho no nanao anao ary Izaho no nividy anao; Ahy tanteraka ianao.”
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa ny Tompo no nanao ahy sy nividy ahy, ary Azy tanteraka aho. Amin’ny alàlan’ny ran’i Jesosy, no nanavotana ahy tamin’ny tànan’ny devoly, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-013-MLG









