Zo Feno amin'ny Fanavotana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Ny famelan-keloka ny fahotantsika dia novidina ho antsika tamin'ny alalan'ny ra soan'i Jesosy Kristy, araka ny nampanantenainy tamin'ny Sakafo Farany. Ity asa fanavotana mahatalanjona ity dia manome antsika zo feno ara-dalàna amin'ny maha-mpino antsika, izany rehetra izany dia araka ny haren'ny fahasoavany.
Ny Tompo nanavotra antsika, mba tsy ho eo an-tànan'ny fahavalo intsony, fa eo an-tànan'i Jehovah.
"Ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava, sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany.” (Kolosiana 1:12–13)
Marina tokoa fa Andriamanitra no nanafaka antsika tamin'ny herin'ny maizina - izany hoe ny fanjakan'i Satana - ary nampiditra antsika ho amin'ny fanjakan'i Kristy. Noho izany, manana fanavotana isika - voavela ny fahotantsika. Tsy ao amin’ny faritanin’i Satana intsony isika, ary tsy eo ambanin’ny fahefany isika. Ny tsy mino, ireo izay mandà an’i Kristy, ny mpikomy, ary ny tsy mankatò dia eo ambanin’ny fahefan’i Satana, fa isika Kristiana kosa tsy izany.
Ny zava-misy dia rehefa nibebaka sy nitolo-batana tamin’i Jesosy Kristy isika ary nanao Azy ho Tompon’ny fiainantsika, dia nampitaina (navadika, na nentina) — fanahy, aina, ary vatana — hiala amin’ny fanjakan’i Satana ary ho any amin’ny fanjakan’i Kristy isika. Zava-misy ireo.
Mino ny zava-misy avy any amin’ny faritra tsy hita maso ao amin’ny Tenin’Andriamanitra isika satria tsy manaraka ny fihetseham-pontsika intsony.
Ny ampingan’ny finoana dia mandrakotra ny lafiny rehetra amin’ny fiainantsika. Tsy misy zana-tsipìka mirehitra tsy ho tafihoatra izany mihitsy (jereo ny Efesiana 6:16).
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa tamin’ny Rany, no nanafahana ahy tamin’ny maizina ka nafindra ho amin’ny fanjakan’ny Zanaky ny fitiavan’Andriamanitra. Amin’ny alàlan’ny ran’i Jesosy, no nanavotana ahy tamin’ny tànan’ny devoly, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-015-MLG









