Ny Fitahiana Tsy Tambo Isaina Amin'ny Famelan-keloka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Milaza mazava ny Baiboly fa mila famelan-keloka ny olona rehetra, ary avy amin’Andriamanitra mihitsy ihany no ahazoana izany. Ianaro ny momba ireo fitahiana tsy hita pesipesenina izay mirotsaka rehefa mamela ny fandikan-dalàntsika sy manarona ny fahotantsika ny Tompo.
Ny karazana famelana ilaintsika, ary tsy azontsika raisina afa tsy amin'Andriamanitra Tenany ihany, dia ny lafiny mitsangana amin'ny famelan-keloka. Misy hasambarana toy izany ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra. Io fahamarinana io angamba dia nambaran’i Davida tamin’ny fomba tsara indrindra ao amin’ny Salamo 32:
"Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.” (andininy 1–2)
Amin'ny teny Hebreo, ity salamo ity dia manomboka amin'ny anarana milaza maro hoe: fahasambarana. “Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany.” Midika izany fa misy fitahiana tsy tambo isaina mifandray amin’ny famelan’Andriamanitra ny fahotantsika.
Zava-dehibe ny mahita fa tsy miresaka momba ny olona tsy mila famelan-keloka ny Baiboly. Asehon’ny Baiboly mazava tsara fa mila famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika rehetra; tsy misy maningana. Ao amin’ny salamo hafa, i Davida dia nilaza fa tsy misy olona tsy manota. Samy efa nanota isika rehetra.Noho izany, mila famelan-keloka àry isika rehetra noho izany. Tsy ny hoe mila famelan-keloka ve isika no fanontaniana fa ny hoe raha mahazo izany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa mila ny Famelanao aho, ary rehefa mamela ahy Ianao, dia mitondra fitahiana lehibe ho ahy koa Ianao. Amin’ny alàlan’ny ran’i Jesosy dia voavela ny fahotako rehetra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-019-MLG









