Dingana Mitohy

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Ny ran'i Jesosy Kristy dia manolotra fanadiovana mitohy amin'ny ota rehetra, saingy misy fepetra io fanomezana mahatalanjona avy amin'ny Tompo io. Fantaro ny tena dikan'ny hoe mandeha ao amin'ny mazava, sy ny fomba maha-fanalahidy izany ho amin'ny fiombonana marina ary ny fanadiovana tsy an-kiato amin'ny alalan'ny rany.
Fanomezana iray amin'ny ra sarobidin'i Jesosy ny fanadiovana.
"Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy [Jesosy] eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Kristy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra." (1 Jaona 1:7)
Ao amin'io andininy io, dia misy matoanteny telo amin'ny fitohizana ankehitriny: mandeha, miombona ary manadio. Tokony horaisintsika an-tsoratra izany. Raha manohy mandeha eo amin’ny mazava isika, dia manohy fiombonana eo amintsika foana, ary ny ran’i Jesosy no manohy manadio antsika.
Tena zava-dehibe ny fahitana fa misy fepetra izany. Raha manohy mandeha amin’ny fahazavan’ny Tenin’Andriamanitra isika amin’ny fankatoavana izay lazainy, ny vokatra voalohany dia ny fiombonana eo amintsika. Raha tsy mandeha eo amin’ny mazava isika, dia tsy hanana fiombonana. Ary raha tsy mandeha amin’ny fiombonana isika, dia tsy mandeha amin’ny mazava. Fa, raha mandeha amin'ny mazava isika ka manana fiombonana, dia ny ran'i Jesosy no manadio antsika mandrakariva.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa manohy mandeha ao amin’ny mazava, sy manana fiombonana amin’ny mpino hafa, ary mandray fanadiovana ho afaka amin’ny ota. Ny ran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia manadio ahy mandrakariva amin’ny ota rehetra , amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena. .

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-022-MLG









