Andao hojerentsika akaiky kokoa ilay fanambarana mahakasika ny ra hita ao amin’ny 1 Jaona 1:7:

"Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy [Jesosy] eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesosy Kristy Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra."

Efa hitantsika fa mifandray sy mifamatotra ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ireo singa telo ireo: fandehanana eo amin'ny mazava, fiombonana amin’ny hafa ary fanadiovana amin’ny ra. Olona an-jatony maro no mitaky ny fanadiovana sy ny fiarovan’ny ra nefa tsy mahafeno ny fepetra noraisin’izy ireo izany. Ny fanadiovana amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy Kristy dia vokatry ny zavatra iray izay ialohavan’ny “raha” — fanambarana misy fepetra izany, miankina amin’ny fanatanterahana ny foto-kevitra iray — raha mandeha ao amin’ny mazava tahaka Azy ao amin’ny mazava isika. Avy eo, vokatra roa no manaraka — tsy iray, fa roa. Ny fanadiovan’ny ra no vokatra faharoa; ny vokatra voalohany dia ny fiombonana eo amin’ny hafa.

Raha ny lojika, raha tsy ao anatin'ny fiombonana isika dia voaporofo fa tsy mandeha amin'ny mazava isika. Raha tsy mandeha amin’ny mazava isika, dia araka ny lojika fa tsy afaka mitaky ny fanadiovan’ny ran’i Jesosy isika. Noho izany, tonga amin’izao fehin-kevitra izao isika: raha tsy ao anatin’ny fiombonana isika, dia tsy ao amin’ny mazava. Raha tsy eo amin’ny mazava isika, dia tsy manadio antsika intsony ny ra. Ny ran’i Jesosy dia ao amin’ny mazava ihany no manadio. Io no iray amin'ireo fitsipika manan-danja indrindra azontsika takarina.