Fankatoavana sy Fahamarinana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny firaisana marina amin’ny Tompo sy amin’ireo mpino hafa no fitsapana voalohany ahafantarana raha mandeha ao amin’ny mazava ianao. Ianaro ireo fepetra roa tena ilaina mba hitoerana ao amin’ny mazava, mba hanananao fahatokiana feno fa ny ran’i Jesosy Kristy dia manadio anao hatrany amin’ny ota rehetra.
Ny fiombonana no fitsapana voalohany hahitàna raha mandeha amin'ny mazava isika. Raha tsy mifaly amin’ny fiombonana amin’ny mpiray finoana amintsika sy amin’ny Tompo isika, dia tsy ao amin’ny mazava isika, ary raha tsy ao amin’ny mazava, dia tsy manadio antsika ny ran’i Jesosy.
Ny fanontaniana manaraka, koa raha ny, mahakasika ny fomba fandehanantsika ao amin'ny mazava. Ny fepetra voalohany dia ny hoe tsy maintsy mandeha amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra isika. Hoy ny Salamo 119:105:
"Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao."
Ny fepetra faharoa dia nofintinin'i Paoly ao amin'ny Efesiana 4:15, izay nanoratra hoe:
“Fa mba hanaraka ny marina amin’ny fitiavana ka hitombo amin’ny zavatra rehetra ho amin’Izay Loha, dia Kristy.”
Ao amin’io andalan-teny io, ny hoe “fandehanana eo amin’ny mazava” dia nofaritana ho fifandraisana amin’ireo mpiray finoana amintsika amin’ny marina sy amin’ny fitiavana. Tokony ho vonona ny hanao ny marina isika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa, nefa tsy maintsy manao izany amim-pitiavana.
Noho izany, ny fandehanana eo amin’ny mazava dia misy zavatra roa miaraka: ny fandehanana amin’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fandehanana amin’ny marina ary ny fitiavana miaraka amin’ny mpiray finoana amintsika. Rehefa mahafeno ireo fepetra ireo isika, dia afaka milaza amim-pahatokiana tanteraka fa ny ran’i Jesosy dia manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra.
Ankehitriny dia tena mahatsapa ny fahalotoana ara-batana amin'ny rivotra manodidina antsika isika, fa ny rivotra ara-panahy koa dia voaloton'ny fahotana sy ny fahalova ary ny faharatsiana. Mba hadio foana isika dia mila ny fanadiovana tsy tapaka amin’ny ran’i Jesosy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô , noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa voadio tamin’ny Rany aho, satria efa nametraka ny tavako handeha amin’ny fankatoavana ny Teniny sy amin’ny fifandraisana marina amin’ny hafa aho. Ny ran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia manadio ahy mandrakariva amin’ny ota rehetra , amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-026-MLG









