Vato Malama

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny famonjena ao amin’i Kristy dia fiandohan’ny dingana iray mandritra ny androm-piainana izay hamolavolana antsika hitovy endrika Aminy, tahaka ny vato mbola maranitra izay manjary malama ao anaty rano mikoriana. Ampiasain’Andriamanitra ny fanadiovan’ny Teniny sy ny fifandraisantsika amin’ireo mpino hafa mba hanesorana ireo toetrantsika mbola tsy voalambolambo, ka hanomanana antsika ho amin’ny fikasany masina.
Ny hoe nibebaka tamin’ny fahotany ny olona iray ka nitaky ho voavonjy ao amin’i Kristy dia tsy midika fa niova avy hatrany ny toetrany manontolo. Mazava ho azy, fa misy dingana lehibe amin'ny fanovana efa natomboka, saingy mety haharitra taona maro vao vita izany fiovana izany amin'ny lafiny rehetra amin'ny toetrany.
Rehefa nila vato malama hipetaka amin'ny antsamotadiny i Davida fa hamono an'i Goliata izy, dia nidina nankany amin'ny lohasaha izy, — dia ilay toerana fieren'ny fanetren-tena. Tao amin’ny renirano no nahitany ny karazana vato ilainy. Inona no nahatonga azy ireo malama? Fanerena roa: voalohany, ny rano mikoriana eo amboniny; faharoa, ny fifampikasohana tsy an-kijanona.
Ity dia sarin'ny fiforonan'ny toetra Kristiana. Voalohany, amin’ny anadiovany azy amin’ny rano fa fanasana amin’ny Teny (jereo ny Efesiana 5:26). Faharoa, rehefa “mifanintotsintona” eo amin’ny fifandraisantsika manokana isika, dia simba tsikelikely ny sisiny maranitra mandra-pahatongavany malama. “Vato velona” isika izay mila halamaina tsy an-kijanona (jereo ny 1 Petera 2:5).
Avelao aho hanampy fanehoan-kevitra iray fa rehefa mila "vato velona" ho an'ny Antsamotadiny i Jesosy, dia mankany amin'ny lohasaha koa Izy — toerana misy ny fanetren-tena. Ao, Izy no mifidy vato izay natao malama noho ny asan’ny Tenin’Andriamanitra sy ny faneren’ny fiombonana tsy tapaka amin’ny mpino hafa. Mariky ny fahamatorana ara-panahy ny mitia amim-pahatsorana ny mpiaraka finoana amintsika, tsy noho ny maha izy azy fotsiny, fa amin’ny lanjany amin’i Jesosy, izay nandatsaka ny Rany ho an’ny tsirairay amin’izy ireo.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jehovah ô, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa manaiky amim-panetren-tena amin’ny fanasan’ny Teny aho ary manolo-tena ho tia ireo Kristiana namako amin’ny fahatsoram-po. Ny ran’i Jesosy Kristy, Zanak’Andriamanitra, dia manadio ahy mandrakariva amin’ny ota rehetra , amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena. .

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-028-MLG









