Fahasahiana avy amin'ny Fahamarinana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, manafina ny mpino amin'ny fahamarinany Andriamanitra. Ny fandraisana ity fahamarinana ity dia manolo ny tahotra amin'ny fahatokisana ary manome hery azy ireo hanatona an'Andriamanitra amin'ny fahasahiana araka ny voalazan'ny Soratra Masina.
Manamarina ny olona tsy marina Andriamanitra. Ny Soratra Masina no milaza izany, ary mino izany aho. Andeha hojerentsika ny andininy tsotra iray izay manamafy izany fahamarinana izany:
"Fa Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika" (2 Korintiana 5:21)
Ao amin’ity andininy ity, dia tiako ny manisy anarana ho amin’ny toeran’ireo mpisolo anarana: “Fa Jesosy, izay tsy nahalala ota, dia efa nataon’Andriamanitra ota ho ahy sy ho anao, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao amin’i Jesosy isika.” Misy fifanakalozana tanteraka: Jesosy dia natao ota niaraka tamin’ny fahotantsika mba hahatonga antsika ho marina amin’ny Fahamarinany. Izany fahamarinana izany dia azo amin’ny alalan’ny finoana ny Rany.
Ny fahamarinana dia miteraka vokatra ary azo jerena eo no ho eo. Andeha hojerentsika ny iray amin’ireo vokatra ireo araka ny voalaza ao amin’ny Soratra Masina. Raha ny marina, ny fomba fiainantsika, ny toe-tsaintsika, ny fifandraisantsika, ary ny fahombiazan’ny fiainantsika Kristiana sy ny asa fanompoana ataontsika dia miankina amin’ny halehiben’ny fahatsapantsika fa natao ho marina isika. Izao no vakintsika ao amin’ny Ohabolana 28:1:
"Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora."
Kristiana maro ankehitriny no tsy manana fahasahiana. Saro-kenatra sy miala tsiny izy ireo; mirona hihemotra izy ireo rehefa tojo ny ratsy na ny devoly. Ny tena fototr’izany dia ny tsy fahaizan’izy ireo mankafy ny zava-misy fa marina eo imason’Andriamanitra izy ireo — marina toa an’i Jesosy Kristy Tenany mihitsy. Rehefa mankasitraka an’io fahamarinana io isika, dia mahatonga antsika ho sahy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa efa nohamarinina tamin’ny Fahamarinany aho, ary mizotra amin’ny finoana ho amin’ny fahasahiana entin’izany fahatsapana izany. Amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, nohamarinina aho, natao ho marina, toy ny hoe tsy nanota mihitsy aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena. |

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-033-MLG









