Ny Drafiny Hanamasina Antsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mitsaoka an'Andriamanitra isika noho ny fahamasinany, toetra mampiavaka manokana izay manavaka Azy tanteraka amin'ny zava-boahary rehetra. Satria ny Tompo mandidy antsika mba ho masina tahaka Azy izay masina, dia tsy maintsy mahatakatra ny fahasamihafana lalina misy eo amin'ny lalan'ny fahamasinana ao amin'ny Fanekena Taloha sy ny Fanekena Vaovao isika.
Fantatsika fa ny teny hoe manamasina dia mifandray amin’ny teny hoe masina, ary mifandray mivantana amin’ny teny ao amin’ny Baiboly tany am-boalohany amin’ny teny hoe “masina”. Noho izany, ny fanamasinana dia midika hoe natao ho masina. Efa nomanin’Andriamanitra ho masina isika.
Ny fahamasinana dia toetra miavaka amin'ireo toetran'Andriamanitra. Manana toetra mahatalanjona maro Andriamanitra — fitiavana, hery, fahendrena, ary koa mandroso —nefa ireo karazana ananan-tsika rehetra ireo dia tokony ho lavitry ny fieritreretana eo amin’ny momba ny olombelona .Efa niaina fitiavana avy amin’ny olombelona isika. Fantatsika ireo mahery. Efa nihaona tamin’ny olombelona hendry isika. Mazava ho azy, fa ireo toetra ireo dia miseho eo amin’ny olombelona amin’ny ambaratonga tsy azo refesina ambany kokoa noho ny an’Andriamanitra, saingy farafaharatsiny manana hevitra isika hoe inona ireo toetra ireo. Fa raha ny momban’ny fahamasinana no resahina, dia tsy misy hafa azo ampitahaina. Ny fiavahan’Andriamanitra dia masina
Ny fahamasinana dia zavatra tsy hita ivelan'Andriamanitra. Raha ny marina, amin’ny fomba sasany dia azonao refesina ny halehiben’ny fahalalanao an’Andriamanitra amin’ny halehiben’ny fahalalanao ny fahamasinana. Toy izao no fitantarako izany: Misaotra an’Andriamanitra isika noho ny Fahatsarany, midera an’Andriamanitra isika noho ny Fahalehibiazany, fa manompo an’Andriamanitra isika noho ny Fahamasinany. Ny fanompoam-pivavahana dia valin’ny fahamasinan’Andriamanitra.
Ao amin’ny Testamenta Taloha, dia hoy Andriamanitra: “Ho masina hianareo, satria masina Aho” (Levitikosy 11:44), ary ao amin’ny Testamenta Vaovao dia namerina ny tenin’ny Tompo i Petera, nanao hoe: “Ho masina hianareo, satria masina Aho” (1 Petera 1:16). Na izany aza, fomba roa samy hafa hahazoana ny fahamasinana no resahina. Hampitahaiko ireo fomba roa ireo — ny iray avy amin’ny fanekena taloha, ary ny iray avy amin’ny fanekena vaovao — mandritra ny andro vitsivitsy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa masina Andriamanitra, mendrika hivavahana — ary amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, no nanamasinana ahy, nohamasinina, natokana ho an’Andriamanitra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-040-MLG









