Fahamasinana amin'ny alalan'ny Finoana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny tena fiasan'ny Fanahy Masina dia manova ny loha-laharam-pahamehantsika, avy amin'ny fitadiavana fanasitranana miserana ho amin'ny fikatsahana fahamasinana mandrakizay. Ity lova sarobidy tsy hita pesipesenina ity dia tsy azo amin'ny alalan'ny fitandremana fitsipika, fa omena an'izay rehetra nohamasinina tamin'ny alalan'ny finoana an'i Jesosy.
Azontsika lazaina fa eto ny fifohazana rehefa liana kokoa ny ho masina noho ny fahasitranana ny vahoakan'Andriamanitra. Diso ny fenitry ny laharam-pahamehantsika. Raha mikarakara ho fivoriam-panasitranana, dia ho tonga ny olona hijery mivantana, fa raha hampianatra momba ny fahamasinana aho, dia hihena ny mpanatrika. Raha ny marina, dia zava-dehibe kokoa noho ny fanasitranana ny fahamasinana. Mihelina ihany ny fanasitranana ary hanampy anao hamakivaky ity fiainana ity ihany. Misaotra an'Andriamanitra noho izany. Fa ny fahamasinana dia mandrakizay; homba anao mandrakizay any an-danitra izany. Tsy maintsy misy zavatra hitranga amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina hanova ny fahatsapantsika ny lanja.
"Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin'Andriamanitra sy ho amin'ny tenin'ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin'izay rehetra nohamasinina." (Asan’ny Apostoly 20:32)
Ny lova dia ho an'izay nohamasinina. Ity andalana ity dia milaza fa ny Tenin'Andriamanitra dia afaka mitondra anao amin'izany lova izany. Ahoana anefa no ahazoana ny fanamasinana eo ambanin’ny fomba tsara kokoa nomen’Andriamanitra, dia ny fanekena vaovao? Naniraka an’i Saoly avy any Tarsosy i Jesosy rehefa niseho voalohany tamin’i Saoly Izy Tenany (izay lasa Paoly tatỳ aoriana). Hoy Izy:
"Hamonjy anao amin'ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao, hampahiratra ny masony hialany amin'ny maizina ho amin'ny mazava, ary amin'ny fahefan'i Satana ho amin'Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin'izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.” (Asan’ny Apostoly 26:17–18)
Afaka hamasinina isika amin'ny fitandremana ny fitsipika rehetra ao amin'ny Testamenta Taloha — raha mihazona izany mandrakariva isika. Mbola tsy hain’ny olombelona mpanota izany. Ilay fomba hafa dia hafa tanteraka — tsy amin’ny fihazomana fitsipika maromaro, fa amin’ny finoana an’i Jesosy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Manambara aho fa ny finoako an’i Jesosy Kristy, dia fanamafisana fa amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy no nanamasinana ahy, nohamasinina, natokana ho an’Andriamanitra, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-042-MLG









