Ny Tenako: Tempolin’ny Tompo

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Andriamanitra Avo Indrindra dia tsy monina ao anatin’ny trano, fa ao amin’ny tempoly izay noforoniny ho an’ny tenany. Rehefa takatrao fa ny vatanao dia ho an’ny Tompo, dia ho hitanao ny fomba andraisany andraikitra feno amin’ny fikarakarana izany.
"Kanefa ny Avo indrindra tsy mitoetra ao amin'izay nataon-tànan'olona, araka ny nolazain'ny mpaminany hoe: “Ny lanitra no seza fiandrianako, ary ny tany no fitoeran-tongotro; Koa trano manao ahoana no hataonareo ho Ahy? hoy Jehovah, ary manao ahoana no ho fitoerana fitsaharako?’” (Asan’ny Apostoly 7:48–50)
Mitoetra ao amin'ny tempoly tsy nataon-tanana Andriamanitra, fa tamin'ny asa masina, araka ny fikasana masina. Io tempoly io dia ny tenan’ny mpino, navotan’ny ran’i Jesosy Kristy. Araka ny nohazavain’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:13:
"Ny hanina dia ho an'ny kibo, ary ny kibo ho an'ny hanina; nefa samy holevonin'Andriamanitra izy roroa. Fa ny tena kosa dia tsy ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo ho an'ny tena.”
Ity andininy ity dia miresaka momba ny sakafo ho an'ny kibo sy ny kibo ho an'ny sakafo. Ao amin'ny Ohabolana dia milaza hoe:
"Ny marina mihinana ka voky tsara" (Ohabolana 13:25)
Isika olo-marina dia tsy mihinana be loatra. Nahoana? Satria ny tenantsika dia tempolin’ny Tompo, ary tsy tokony handoto azy amin’ny hatendana, ny fimamoana, ny fahalotoam-pitondran-tena, na ny fomba ratsy hafa fampiasa isika. Ny tena dia ho an'ny Tompo, ary ny Tompo dia ho an'ny tena. Rehefa manolotra ny tenako ho an’ny Tompo aho, dia manana ny zon’ny Tompo amin’ny tenako.
Andao hampiasaina ity fanoharana ity: Raha mividy trano iray aho, dia lasa tompon'andraikitra amin'ny fikojakojana azy; fa raha mipetraka amin'ny trano hofaina , dia ny tompon-trano no tompon'andraikitra. Raha avelantsika hanana zo vonjimaika amin’ny tenantsika fotsiny i Jesosy, dia tsy manaiky ny andraikitra amin’ny fikojakojana izany Izy. Fa raha Azy ireo, dia tompon’andraikitra amin’ny fikojakojana azy ireo Izy. Izany no fifandraisana Iriany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin’ny ran’i Jesosy sy ny asan’ny Fanahinao Masina. Manambara aho fa tempolin’ny Fanahy Masina ny tenako ary manana ny zo rehetra amin’ny tenako ny Tompo. Noho izany, dia tsy handoto azy amin’ny hatendana, na amin’ny fimamoana, na amin’ny fahalotoam-pitondran-tena, na ny fomba ratsy hafa fampiasa aho. Tempolin'ny Fanahy Masina ny tenako, navotana, nodiovina, tamin'ny ran'i Jesosy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-044-MLG









