Ny Fananan'Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Navotan'ny ran'i Jesosy ny vatanao, ka mahatonga azy ho fananana masin'Andriamanitra sy tempolin'ny Fanahy Masina. Manana zo ara-dalàna ianao hilaza amin'ny devoly fa mpiditra an-keriny izy ary tsy manana toerana ao aminao.
Lazain'ny Baiboly fa tokony hanome voninahitra an'Andriamanitra amin'ny tenantsika sy amin'ny fanahintsika isika (jereo ny 1 Korintiana 6:20), satria an'Andriamanitra izy roa ireo; samy efa navotana tamin’ny tanan’ny devoly tamin’ny ran’i Jesosy. Tsy misy ampahany amiko — fanahy, aina, na vatana—eo ambanin'ny fanapahana na ny fifehezan'i Satana.
Mamelà ahy hilaza mazava fa tsy manana vatana fitsanganan’ny tena amin’ny maty aho. Fa vatana mety maty. fa io vatana mety maty io — ny kofehy, ny sela ary ny fikambanan-tsela rehetra — dia fananan’Andriamanitra, fa tsy an’ny devoly. Raha miditra amin’io faritany io ny devoly, dia mpitsabaka izy. Amin’ny fampiharana ny zontsika ao amin’i Jesosy, dia afaka mametraka soratra isika hoe “Tsy azo Tsabahana” isika. Araka ny lalàna, ny tenantsika dia tsy an’ny devoly fa an’i Jesosy, izay manana tanjona manokana ho azy ireo. Izy ireo dia tokony ho fonenan'Ilay Olon’ny fahatelon'Andriamanitra, dia ny Fanahy Masina. Masina ny tenantsika satria izy ireo no fonenana voatendry ho an’ny Fanahy Masina.
Im-betsaka ny Soratra Masina no milaza mazava fa tsy mitoetra ao amin’ny tempoly nataon-tanana Andriamanitra (jereo, ohatra, ny Asan’ny Apostoly 7:48). Sady tsy mipetraka ao amin’ny trano fiangonana, na fiangonana, na synagoga, na trano fivavahana azo tsapain-tanana hafa Izy. Mitoetra ao amin’ny Olony Izy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin’ny ran’i Jesosy sy ny asan’ny Fanahinao Masina. Manambara aho fa fananan’Andriamanitra ny tenako fa tsy an’ny devoly. Ara-dalàna, tsy an’ny devoly ny tenako, fa an’i Jesosy — ary manana tanjona manokana ho an’ny tenako Izy. Tempolin'ny Fanahy Masina ny tenako, navotana, nodiovina, tamin'ny ran'i Jesosy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-045-MLG









