Fanavaozana amin'ny alalan'ny Fanahy

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny famonjena dia tsy fanampenana ny fiainantsika taloha; fa Andriamanitra kosa no mamorona zavatra vaovao tanteraka ato anatintsika. Jereo ny fomba anasan'ny Fanahy Masina, ampaniterany antsika indray, ary anavaozany antsika amin'ny alalan'ny asan'ny famindram-pony mahagaga.
Tafiditra ao anatin'ny dingan'ny famonjena ny fanavaozana. Izao no vakintsika ao amin’ny Titosy 3:5:
"Dia [Andriamanitra] tsy avy tamin'ny asa amin'ny fahamarinana izay nataontsika, fa araka ny famindrampo kosa no namonjeny antsika, tamin'ny fanasan'ny fiterahana indray sy ny fanavaozan'ny Fanahy Masina."
Ny lafiny farany noresahin'i Paoly ao amin'io andininy io dia ny fanavaozana. Tsy maintsy tonga eo amin’ny famoronam-baovao isika. Hoy i Paoly:
“Koa raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo!” (2 Korintiana 5:17)
Zava-dehibe ny teny hoe “famoronana”, satria iray ihany no namorona — Andriamanitra. Ny olombelona dia afaka manamboatra, manamboatra ny simba, na mamokatra, fa ny olona dia tsy afaka mamorona. Ny fontsika sy ny ao anatintsika rehetra dia efa voaloton’ny vokatry ny fahotana ka tsy tsara ny fanamboarana na fanapenana. Ny famoronam- baovao ihany no ho tsara.
Ao amin'ny Testamenta Taloha, taorian'ny nijangajangan'i Davida, namono olona, ary niatrika toe-javatra mahatsiravina tao am-pony, dia nitaraina tamin'Andriamanitra tamim-pahoriana izy hoe: "Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô!" (Salamo 51:10). Fantany fa tsy maintsy avy amin’Andriamanitra ny famoronana; dia fomba tokony tsy azo avy amin'ny dinganan’ny olombelona izany.
Ao amin'ny Titosy 3:5, dia hitantsika ireo lafiny telo amin'ny fizotran'ny famonjena:
- Fanasana, na fanadiovana;
- Fahaterahana, na nateraka indray; ary,
- Fanavaozana, na famoronam- baovao.
Manao zavatra tsy vitan'ny olombelona tanteraka Andriamanitra. Izany rehetra izany dia noho ny famindram-pon’Andriamanitra, fa tsy ny Fitsarany. Tsy araka ny asantsika amin'ny fahamarinana izany — tsy hahavita na inona na inona ireny. Ny famonjena dia tsy maintsy avy amin'ny famindram-pon'Andriamanitra mpanjaka.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin'ny ran’i Jesosy sy ny asan’ny Fanahinao Masina. Manambara aho fa mankat ò ny fanavaozana’ny Fanahy Masina ahy. Famoronam-baovao aho, tsy noho ny fahamarinako manokana, fa noho ny famindrampon’Andriamanitra mpanjaka tamiko. Tempolin'ny Fanahy Masina ny tenako, navotana, nodiovina tamin'ny ran'i Jesosy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-049-MLG









