Mamela Ny Hafa

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny tsy famelana heloka dia mamela ota tsy voavaha ary manome an'i Satana zo hitaky eo amin'ny fiainan'ny mpino. Ampifandraisin'i Jesosy ny fandraisana ny famelan-kelok'Andriamanitra sy ny famelana ny hafa. Ny famelan-keloka tanteraka dia manafoana izany fitakiana izany ary miantoka ny zo feno amin'ny fanavotana.
Fomba iray mahazatra iraisan'ny mpino manome an'i Satana fitakiana ara-dalàna eo amin'ny fiainany ny tsy famelana ny heloky ny hafa. Nampianatra antsika i Jesosy fa navelan’Andriamanitra isika dia tahak’izany koa ny hamelantsika ny heloky ny hafa. Hoy izy:
"Fa raha mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. Fa raha tsy mamela ny fahadisoan’ny olona hianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.” (Matio 6:14–15)
Tsy manan-jo hitaky famelan-keloka amin'Andriamanitra amin'ny fepetra lehibe kokoa noho ny famelana ny hafa isika. Raha misy olona tsy avelantsika, dia tahak’izany ihany koa, tsy mamela heloka antsika Andriamanitra. Midika izany fa ny faritry ny tsy famelan-keloka eo amin’ny fiainantsika manokana dia faritra izay mbola ananan’i Satana fitakiana ara-dalàna. Tsy afaka mandroaka azy isika raha tsy efa mamela ireo izay tokony mila ho avelantsika.
Ny fanavotana dia miaraka amin'ny famelan-keloka. Raha voavela ny fahotantsika rehetra, dia manana ny zo tanteraka amin’ny fanavotana isika. Tsy manana fiampangana ara-dalàna manohitra antsika i Satana. Saingy raha misy faritra eo amin’ny fiainantsika izay tsy voavaha tanteraka ny ota, dia mbola manana fitakiana ara-dalàna amin’izay mbola faritra izay i Satana. Afaka mahazo ny mpitory teny rehetra any Amerika isika hitory sy hivavaka ho antsika, fa tsy hanaisotra ny devoly, satria fantany fa manana fitakiana ara-dalàna izy. Mila tadidintsika fa manam-pahaizana ara-dalàna ny devoly. Fantany koa , izany. Kanefa, ny Tenin’Andriamanitra dia manome antsika famelan-keloka tanteraka. Zava-dehibe ny hifikirantsika amin'ny famelan-keloka tanteraka ary tsy hamela heloka tsy ho voavela.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin’ny ran’i Jesosy. Mangataka amin’Andriamanitra aho mba hamela ny ota rehetra, ary mamela ny olona rehetra izay tokony havelako (manomeza anarana manokana). Rehefa vita izany, dia manambara aho fa i Satana dia tsy manana toerana ato anatiko, tsy manan-kery amiko, tsy misy fitakiana tsy voalamina manohitra ahy. Ny ran'i Jesosy dia efa nandamina ny rehetra!, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-050-MLG









