Manome Voninahitra an'Andriamanitra amin'ny Tenako

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny vatanao dia tempolin'ny Fanahy Masina, ka mahatonga na dia ny zavatra tsotra toy ny fihinanana sy ny fisotroana aza ho lasa fotoana hanomezana voninahitra an'Andriamanitra. Ianaro ny mahasamihafa ny fanomezana fahafaham-po ny zavatra ilainao sy ny fanaranam-po amin'ny filan'ny nofo, mba hanomezana voninahitra marina an'Ilay nividy anao tamin'ny sarany lafo.
"Moa tsy fantatrareo fa ny tenanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, Izay ao anatinareo sady efa azonareo tamin'Andriamanitra? ka tsy tompon'ny tenanareo hianareo. Fa olom-boavidy hianareo, koa dia mankalazà an'Andriamanitra amin'ny tenanareo.” (1 Korintiana 6:19–20)
Misy fomba maro ampiasantsika ny tenantsika. Ny asa iray voalohany dia ny famelomana ny tenantsika — fihinànana ary fisotroana. Nilaza i Paoly fa mila manao ireo asa amin’ny fomba manome voninahitra an’Andriamanitra ireo isika:
"Koa amin'izany, na mihinana na misotro hianareo, na inona na inona ataonareo, dia ataovy ho voninahitr'Andriamanitra izany rehetra izany." (1 Korintiana 10:31)
Inona no dikan'ny hoe “mihinana… ho voninahitr'Andriamanitra”? Avelako ho anao ny hamaly ity fanontaniana ity. Ny olona sasany dia tsy afaka mieritreritra akory hoe afaka manome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fomba fihinanany. Nilaza anefa Andriamanitra fa Andriamanitra saro-piaro Izy (jereo, ohatra, ny Eksodosy 34:14), ary Tiany homem-boninahitra Izy amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana — indrindra fa ireo asa tsotra, isan’andro, etỳ an-tany.
Fa avelao aho hametraka fanontaniana iray hafa aminao. Azo atao ve ny mihinana be loatra ho voninahitr’Andriamanitra? Tsy hitako hoe azo atao izany, satria ny fihinanana tafahoatra dia endrika fanararaotana ny tena. Hoy ny Ohabolana 13:25 : “Ny marina mihinana ka voky tsara ny fanahiny.” Manan-jo hahazo fahafaham-po isika, fa raha mihoatra izany — mihoatra noho ny famenoana ny filantsika — dia manaram-po amin’ny tena isika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, noho ny amin'ny ran’i Jesosy sy ny asan’ny Fanahinao Masina. Manambara aho fa tempolin’ny Fanahy Masina ny tenako, navotana, nodiovina ary nohamasinina tamin’ny ran’i Jesosy. An'Andriamanitra ny tenako, ary mikasa ny hampiasa izany amin'ny fomba manome voninahitra Azy aho — anisan'izany ny hohaniko sy ny hosotroiko, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-057-MLG









