Fiaraha-miasa amin'ny Fanahy

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Nampitandrina ny Apostoly Paoly fa amin’ny andro farany, hisy ny hiala amin’ny finoana ka hanaraka fampianaran’ny demonia izay mandrara ny fanambadiana sy mandidy ny tsy hihinanana sakafo sasany. Ianaro ny marina momba izany famitahana izany, ary fantaro ny fomba hanamasinan’ny Tenin’Andriamanitra ireo fanomezany tsara ho an’izay rehetra mino.
"Fa ny Fanahy milaza marina fa amin'ny andro aoriana dia hihemotra amin'ny finoana ny sasany, manaiky fanahy mamitaka sy fampianaran'ny demonia, amin'ny fihatsarambelatsihin'ny mpilaza lainga, ka voapetaky ny vy mahamay ny fieritreretany, izay mandrara tsy hanam-bady, ary mampifady hanina izay nataon'Andriamanitra ho an'izay mino sady mahalala ny marina, mba horaisiny amin'ny fisaorana. Fa ny zavatra rehetra nataon'Andriamanitra dia tsara avokoa, ka tsy misy tokony holavina, raha raisina amin'ny fisaorana, satria hamasinin'ny tenin'Andriamanitra sy ny fivavahana izany. ” ( 1 Timoty 4:1–5 )
Ao amin'io andalan-teny io, i Paoly dia milaza, voalohany indrindra, fa ny fifadiana tsy hanambady (izany hoe ny tsy fanambadiana) dia tsy fepetra mandeha ho azy ho an'ny fahamasinana; tsy voatery mitarika amin’ny fahamasinana izany. Raha jerena ny tantaran’ny fiangonana, raha ny zava-misy notakian’ny mpitondra fivavahana mba tsy hanambady, dia hita fa tsy hoe nitondra fahamasinana foana ny tsy fanambadiana.
Raha ny amin’ny sakafo, dia izao no nolazain’i Paoly: “Ny zavatra rehetra noforonin’Andriamanitra ho sakafo dia tsara avokoa”. Tokony hotadidintsika anefa fa ny sakafo tsara noforonin’Andriamanitra dia mety ho simba noho ny zavatra nafangarontsika aminy na ny fomba nanomanantsika azy. Noho izany, makà fotoana sy ezaka mba hanavahana ny zavatra manampy sy ny zavatra manimba. Miaraha amin’ny Fanahy Masina.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô , noho ny amin'ny ran’i Jesosy sy ny asan’ny Fanahinao Masina. Manambara aho fa miaraka amin’ny Fanahy Masina hanavaka izay manampy na manimba ny tenako, satria tempolin’ny Fanahy Masina izy io, navotana, nodiovina, ary nohamasinina tamin’ny ran’i Jesosy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-060-MLG









