Manolotra ny Tenantsika ho an'Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny vahaolana nomen'Andriamanitra ho an'ny toetrantsika mpanota dia ny famonoana izany niaraka tamin'i Kristy teo amin'ny Hazofijaliana, izay nandrava ny fahefany tamintsika. Manana andraikitra isika izao ny hijoro mafy hanohitra ny ota ary hanolotra ny tenantsika ho an'Andriamanitra ho toy ny efa velona avy tamin'ny maty.
Azo fintinina amin'ny teny iray ny vahaolan'Andriamanitra ny amin’ny toetra taloha: dia famonoana. Ny famonoana dia naka ny toeran’ny hazo fijaliana, rehefa maty Jesosy ary niara-nohomboana Taminy ilay isika taloha. Ahoana no ampiharantsika ny vahaolan’Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika?
"Koa aza avela ny ota hanjaka amin’ny tenanareo mety maty hanarahanareo ny filany; ary aza manolotra ny momba ny tenanareo ho amin’ny ota ho fiadian’ny tsi-fahamarinana; fa atolory ny tenanareo ho an’Andriamanitra, toy ny efa maty nefa velona, ary ny momba ny tenanareo ho fiadian’ny fahamarinana ho an’Andriamanitra. Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ny lalàna hianareo, fa ambanin’ny fahasoavana. (Romana 6:12–14)
Ny toromarika nomen'i Paoly dia azo arahina irery ihany hoan’ireo izay nametraka ny finoany an’i Jesosy sy nanaiky ho sorona Hisoloany tenan’izy ireo. Nisy olona iray nilaza hoe: “Raha te ho any an-danitra ianao, dia tsy maintsy mianatra miteny hoe tsia.” Izany no marina. Nilaza i Paoly fa tsy maintsy manapa-kevitra isika ary mijoro tsara manohitra ny ota. Fa na ny ota na i Satana dia samy afaka manavaka ny hoe rehefa miteny fotsiny isika sy ny tena tiantsika lazaina. Tsy maintsy manambara ireo teny ireo amim-pandresen-dahatra isika. Avy eo, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy, dia afaka amin’ny fahefan’ny ota ny sitrapontsika. Lasa andraikitsika avy eo ny mampihatra tsara ny sitrapontsika. Tsy handeha hanao izany ho antsika Andriamanitra. Io no teboka tsy maintsy ahafantarantsika ny andraikitsika hanarahana maso ny sitrapontsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô , noho ny amin’ny Fandresenao teo amin’ny hazo fijaliana. Mijoro aho ankehitriny ary manambara fa ny ota sy Satana dia tsy manan-kery ary tsy mitaky amiko. Manambara aho fa ny momba ny tenako, ny ratsam-batako, dia fitaovan’ny fahamarinana, milefitra ho an’Andriamanitra ho amin’ny Andraikiny sy ho Voninahiny, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-064-MLG









