Fanafahana amin'ny Fampijaliana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Raha efa nahatsapa ho voagejan’ny fahafoizan-toky ianao, dia tsy irery amin’izany ady amin’ny fanahin’ny fahakiviana izany. Henoy ny fijoroana ho vavolombelona mahery vaika momba ny lehilahy iray izay niantso ny anaran’ny Tompo mba hahazo fanafahana, ary nampiasa ny Tenin’Andriamanitra hahitana fandresena tanteraka.
Nandritra ny taona maromaro, fony aho pasitora tany Londres, dia niady tamin'ny fahaketrahana aho, izay nanavesatra ahy, ary nanidy ahy. Nahatonga ahy nahatsapa tsy fisiam-panantenana sy tsy fahombiazana. Angamba afaka fantarinao izany. Niady tamin'io toe-javatra io aho tamin'ny fomba rehetra fantatro, saingy tsy nandroso aho. Noho izany, hitako avy eo ny Isaia 61:3:
"Hanolotra ho an'ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy... ary fitafiana fiderana ho solon'ny fanahy reradreraka."
Rehefa namaky ireo teny ireo aho, dia nasehon’ny Fanahy Masina tamiko hoe: “Izany no olanao!” Toy ny tondra-drano no niditra tao. Tsapako fa tsy miady manohitra ny tenako aho fa amin'ny manompo hafa — fanahy ratsy izay mampijaly sy mampahory ahy. Rehefa tsapako izany dia mety ho 80 isan-jaton'ny lalana mankany amin'ny fandresena aho. Soratra iray hafa ihany no ilaiko:
“Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran'i Jehovah dia ho afa-mandositra [“nafahana”]” (Joela 3:5)
Natambatra ireo Soratra masina roa ireo, dia nivavaka aho hoe: “Andriamanitra ô, Nasehonao ahy fa ampahorian’ny fanahin’ny vesatra aho. Manatona Anao aho ankehitriny, miantso ny anaran’i Jesosy Tompo. Afaho aho.” Nanafaka ny saiko tamin’io fanahy fampahoriana io Izy.
Ankehitriny, anjarako ny mandamina ny saiko manokana. Nànana fomba fisainana lafiny ratsy aho, tamin’ izay nasehon'Andriamanitra ahy ho fandavana ny finoako an'i Jesosy. Anjarako ny namerina ny saiko. Nandritra ny taona maromaro, isaky ny misy fotoana lafiny ratsy, tonga ato amiko, dia laviko izany, ka nosoloina lafiny tsaran’ny fiaikena avy amin’ny Soratra Masina. Taona maromaro tatỳ aoriana, dia novaina tanteraka ny fiasako manontolo. Olona hafa tanteraka aho.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô , noho ny amin’ny Fandresenao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa efa nafahana tamin’ny fijaliana rehetra, ary ny momba ny tenako, dia ny ratsam-batako, dia fitaovan’ny fahamarinana, milefitra ho an’Andriamanitra ho amin’ny Andraikiny sy ho Voninahiny, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-065-MLG









