Fiainan'ny Fitsanganana Velona

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Navoaka ny fiainan'Andriamanitra tamin'ny nandroatsahan'i Jesosy ny rany, nefa ny hery fenon'izany sorona izany dia vao tanteraka ao amin'ny fitsanganana amin'ny maty. Tena sarobidy amin'Andriamanitra ny vatantsika ka mampanantena Izy fa hanangana izany hiala amin'ny fahalòvana ho amin'ny voninahitra tahaka ny an'ny Zanany.
Ny Levitikosy 17:11 dia milaza hoe: “Ny ain’ny nofo dia amin’ny ra.” Rehefa nandatsaka ny Rany Jesosy, dia nandatsaka ny Ainy Izy. Araka ny fahazoako azy dia, nalefa teto amin’izao rehetra izao ny ain’Andriamanitra. Ary tsy misy saina afaka mahazo ny fahafenoan'ny dikan'izany.
"Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa [ny mahazava-dehibe ny lanjany]: Raha tsy mihinana ny nofon'ny Zanak'olona sy misotro ny rany hianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.’” (Jaona 6:53–54)
Tsarovy fa tsy tanteraka ny fanavotana antsika raha tsy feno amin'ny fitsanganana amin'ny maty. Hoy i Paoly ao amin’ny Filipiana 3:12 : “Tsy toy ny efa nahazo sahady aho, na efa tanteraka sahady; fa miezaka aho hihazonan’ izay nihazon'i Kristy Jesosy ahy.” “Raha mba misy hahatratrarako ny fitsanganana amin'ny maty” (andininy 11).
Misy ny olona manana mihevitra fa tsy dia zava-dehibe loatra ny tenany. Nefa Andriamanitra dia milaza fa ny tenantsika dia tena zava-dehibe — tempolin’ny Fanahy Masina izy ireo. “Fa mahatahotra sy mahatalanjona ny nanaovana azy ireo” (Salamo 139:14). Ary Andriamanitra dia tsy hamela ny tenantsika ho lo. Hanangana azy ireo amin’ny voninahitra tahaka an’i Jesosy Izy. Ny fanavotana dia ny fanatanterahana feno ny soron’i Jesosy, ary tanteraka amin’ny fitsanganana amin’ny maty izany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô , noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry. Tahaka an’i Paoly, dia “miezaka mafy aho… mba hahazoako ny fitsanganana amin’ny maty”. Manambara aho fa naharesy an'i Satana aho noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny fijoroako ho vavolombelona, ary tsy nankamamy ny aiko aho na dia ho faty aza, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-071-MLG









