Ny Fahafoizantsika ny Aintsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mampiseho antsika ny fomba handresena an'i Satana amin'ny alalan'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny fijoroantsika ho vavolombelona izany. Ianaro ny dikan'ny hoe miaramila manolo-tena tanteraka ao amin'ny tafiky ny Tompo, dia ilay karazana mpino izay tena atahoran'ny fahavalo tokoa.
Mba hiainana ny vokatry ny ran'i Jesosy, dia mila mahafantatra ny fomba fampifandraisana ny Rany isika. Ny Soratra Masina anio sy ny fiaikena ataontsika amin’ity herinandro ity dia miresaka ady lehibe amin’ny andro farany izay ahitana ny lanitra sy ny tany — ny anjelin’Andriamanitra, sy i Satana sy ny anjeliny, ary ny olona mino an’Andriamanitra eto an-tany. Ny anjelin’Andriamanitra dia nanao izao fanambarana izao:
"Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy, ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty aza." (Apokalypsy 12:11)
“Izy ireo” dia olona toa ahy sy ianao, mino an’i Jesosy Kristy. “Izy” dia manondro an’i Satana. Misy fifandirana mivantana eo amintsika sy i Satana; tsy misy olona eo anelanelany. Ity andininy ity dia milaza amintsika ny fomba nandresen'ny mpino azy, ao alavidavitra ao mamaritra azy ireo fa nanolo-tena — nanolo-tena tanteraka. Ny Kristiana manolo-tena no hany karazana mampatahotra an’i Satana. Rehefa milaza hoe “tsy nankamamy ny ainy intsony izy ireo na dia ho faty aza”, dia midika izany fa tsy ny fiainana no lohandaharana voalohany. Ny lohandaharana voalohany dia ny mahatoky amin’ny Tompo sy manao ny Sitrapony.
Rehefa miresaka momba ny “miaramila ao amin’ny tafikin’ny Tompo”, dia maro amintsika no manana hevitra manjavozavo sy mampihetsi-po momba ny dikan’izany. Fony aho miaramila tao amin’ny tafika britanika, dia tsy nahazo taratasy fanamarinana avy amin’ny mpitari-tafika miantoka ny tsy hahavery ny aiko. Ny miaramila rehetra mahalala fa mety hovonoina izy; ny fanompoana dia mety hamoizany ny ain’izy ireo. Toy izany koa ao amin’ny tafik’i Jehovah. Tsy misy antoka fa tsy voatery hamoy ny aintsika isika. Ny olona atahoran’i Satana dia ireo izay tsy matahotra ny hamoy ny ainy. Fohy rahateo ny fiainana eto an-tany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô , noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry. Manambara aho fa tsy ny “mitoetra ho velona” no lohandaharana voalohany, ary naharesy an’i Satana aho noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny fijoroako ho vavolombelona, ary tsy nankamamy ny aiko aho na dia ho faty aza, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-075-MLG









