Ny Fitaovam-piadian'ny Adintsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Nazera tety an-tany ny devoly ary fantany fa fohy ny fotoany, nefa tsy navelan’Andriamanitra ho tsy manam-piarovana isika manoloana ny tetika ratsiny. Nomena fitaovam-piadiana ara-panahy mahery vaika isika amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy sy ny teny fanambarantsika mba handrodanana ny manda rehetra izay manohitra an’Andriamanitra.
Ao amin’ny Apokalypsy 12:7–9, dia hitantsika fa efa nodiovina tamin’ny dragona (Satana) sy ny anjeliny ny lanitra. Mifalia, ry lanitra; tandremo, ry tany! Ankehitriny dia eto an-tany ny devoly, ary fantany fa tsy manana afa-tsy taona vitsy monja izy mba hanao ratsy sy hanisy ratsy. Mazava amiko fa io vanim-potoana io dia mifandray akaiky amin’ny rehetra (na ampahany) amin’ny herinandro fahafitopolon’i Daniela (jereo ny Daniela 9:21–24). Fe-potoana voafaritra tsara izany—izay fantatry ny devoly tsara, izay mpianatra ny faminaniana. Ary Jesosy dia nilaza fa tapaka tampoka ireo andro ireo (jereo, ohatra ,ny Matio 24:21–22). Na dia milaza aza ny Baiboly hoe telo taona sy tapany araka ny teoria, dia hisy “andro” vitsivitsy hesorina amin’ny farany. Avy eo, dia hofatorana sy higadra any amin’ny lavaka tsy hita noanoa ny devoly.
Ny devoly dia te-hihazona antsika tsy hahalala izany zava-misy izany, satria raha mbola tsy mahalala isika, dia tsy afaka manao izay notendren'Andriamanitra. Fa Andriamanitra dia nanome antsika ny fiadiana ara-panahy hanesorana an'i Satana hiala amin'ny toerany amin’ny an’ny lanitra.
“Fa tsy avy amin’ny nofo ny fiadian’ny tafikay, fa mahery amin’Andriamanitra handrava fiarovana mafy; fa mandrava ny fisainana sy ny zavatra [“misaintsaina”] avo rehetra izay atsangana hanohitra ny fahalalana an’Andriamanitra.” (2 Korintiana 10:4–5)
Ny fiadiana ara-panahy nomena antsika dia hahatonga antsika handrava ny zavatra avo rehetra izay manohitra an'Andriamanitra sy ny Fanjakany. Ny zavatra farany, fara tampony, ambony indrindra manohitra an’Andriamanitra dia ny fanjakan’i Satana amin’ireo an’ny lanitra. Natolotra antsika ny fiadiana izay hahafahantsika mandresy azy: ny ran’i Jesosy sy ny teny fijoroantsika ho vavolombelona.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô , noho ny amin’ny ran’ny Zanak’ondry. Raisiko ho fiadiana ara-panahy izany, miaraka amin'ny fijoroako ho vavolombelona, ka manambara fa naharesy an'i Satana aho noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny fijoroako ho vavolombelona, ary tsy nankamamy ny aiko aho na dia ho faty aza, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-076-MLG









