Firaisana Saro-pantarina

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny bokin’i Joba dia manome sary mazava tsara momba ny fahaizana sy ny fitandremana tsy hita pesipesenina izay nampiasain’Andriamanitra tamin’ny famolavolana ny vatan’olombelona. Ity andalan-tsoratra kanto ity dia mampiseho ny fomba itambaran’ny fofonain’ny Tsitoha amin’ny fotaka avy amin’ny tany mba hiteraka ny maha-olona manontolo.
Raha mijery ny bokin'i Joba isika, dia mahita fanambarana lehibe momba ny tena. Amin’ny lafiny maro, dia misy fifandraisana mahafinaritra eo amin’ny bokin’ny Genesisy sy Joba. Ny Joba 10:8–12 dia famintinana tsara ny asa famoronan’Andriamanitra ao amin’ny tenantsika. Mivaky toy izao ny andininy faha-8:
"Ny tànanao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao."
Sahala amin’ny ao amin’ny Genesisy 2:7, izay ahitana ny teny hoe “namorona” dia manondro asa kinga vokatry ny fitandremana lehibe, koa ny bokin’i Joba dia manantitrantitra ny fahaiza-manao sy ny fikarakarana tsy hay refesina izay natolotr’Andriamanitra ho an’ny famoronana ny vatan’olombelona:
“Ny tànanao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, Kanjo levoninao indray aho izao. Masìna Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao! Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry? Eny, notafianao hoditra sy nofo aho, ary norarinao tamin'ny taolana sy ny hozatra.” (Joba 10:8–11)
Fanehoana mazava re izany! Endrey izany sary mahafinaritra ny amin'ny fifandraisan'ireo faritra voalohany amin'ny vatana. Izao no vakintsika ao amin’ny andininy faha-12:
“Aina sy famindrampo no nomenao ahy; Ary ny fiahianao [“famangiana”] no niaro ny aiko.”
Tatỳ aoriana, ao amin'ny Joba, dia manana ny lafiny hafa isika — ny ampahany ara-panahy — amin'ny maha-olombelona:
"Kanefa ny fanahy izay ao anatin'ny zanak'olombelona sy ny [fofonai]n'ny Tsitoha no maha-hendry azy. " (Joba 32:8)
Ireo teny avy ao amin'i Joba ireo dia mifanaraka tanteraka amin'ny Genesisy. Ny firaisan'ny fofonain'Andriamanitra avy any ambony amin’ny tanimanga avy any ambany no mitondra ho any amin’ny maha-olombelona manokana tanteraka.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô , noho ny amin’ny Fanomezanao ny tenako. Izaho no firaisan'ny fofonain'Andriamanitra avy any ambony amin’ny tanimanga avy any ambany — ary manambara aho fa ny tenako dia ho an'ny Tompo, ary ny Tompo dia ho an'ny tenako, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-080-MLG









