Hiaro Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Manarona an'i Isiraely sy izay rehetra matoky Azy ny fiarovan'Andriamanitra. Manamafy i Derek Prince fa Ilay Andriamanitra manangona an'i Isiraely dia miaro ny olony koa amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainana.
Nipetraka tany Jerosalema aho tamin'ny nahaterahan'ny Fanjakan'ny Isiraely. Tsaroako ny nahita ny saina Isiraeliana niakatra teo afovoan’i Jerosalema. Hoy aho anakam-po hoe: Tsy maintsy manan-danja tokoa izany!
"Mihainoa ny tenin'i Jehovah, hianareo jentilisa, ary torio any amin'ny tany amoron-tsiraka any lavitra any izany, ka ataovy hoe: “Izay nampiely ny Isiraely no hanangona azy indray sady hitandrina azy toy ny fitandrin'ny mpiandry ondry ny ondriny." (Jeremia 31:10)
Roapolo amby Dimanjato taona lasa izay, dia notendren'Andriamanitra hambara amin'ny firenena rehetra ambonin'ny tany io hafatra manokana io. Tanteraka eo imasonareo sy ao an-tsofinareo izany anio. Izao isika dia afaka miteny hoe: “Izay nampiely ny Isiraely no nanangona azy indray sady hiambina azy toy ny fitandrin’ny mpiandry ondry ny ondriny.”
Indro dia andro tsy misy mahalala ireo, raha ny natoraly, izay hitranga rahampitso amin'ny Isiraely. Mety hisy ady hipoaka ao anatin'ny efatra amby roapolo ora tsy misy fampitandremana. Ao anatin’izany rehetra izany anefa, Andriamanitra dia hiaro ny Isiraely tahaka ny mpiandry ondry miaro ny ondriny. Misy antoka fa na inona na inona fanerena ara-politika sy herisetra mipoitra, dia hiaro an’i Israely nangonina Andriamanitra.
Ny Tompo dia manome antsika ny fampanantenana mitovy amin'izany ao amin'ny Salamo 121:7–8:
“Jehovah hiaro anao amin'ny ratsy rehetra; Eny, hiaro ny fanahinao Izy. Jehovah hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin'izao ka ho mandrakizay.”
Mahafinaritra ny mahafantatra fa momba anao Andriamanitra, tsy rehefa manomboka ny dia ihany ianao, fa rehefa tonga amin’ny farany ihany koa ianao; tsy hoe rehefa mandeha miasa maraina ihany ianao, fa rehefa tonga ao an- trano ihany koa ianao ny hariva. Mbola momba anao Andriamanitra, ary hiaro sy hiazona anao Izy — hatramin'izao ka ho mandrakizay. Ny Mpamorona no hitandrina antsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa manolo-tena ho an'ny Isiraely Ianao. Mifona ho an'io firenena io aho ankehitriny. Manambara aho fa tahaka ny maha-Mpiaro ny Isiraely an'Andriamanitra, dia Mpiaro ahy sy hitandrina ahy Izy, satria tsy hahafoy ny Olony Tompo, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-086-MLG









