Mpanasitrana ny Torotoro Fo

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Tanteraka amin'izao androntsika izao ny fampanantenan'ny Tompo hanasitrana ny torotoro fo sy hanisy fehy ny feriny. Raha manana fery lalina ao anatinao ianao, ny Fanahy Masina dia afaka mikasika izany toerana torotoro izany mba hitondra fanasitranana sy fanarenana marina ho anao.
Ao amin’ny Salamo 147:2–3 dia mamaky isika hoe:
“Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy. Mahasitrana ny torotoro fo Izy sy mamehy ny feriny.”
Teny mahafinaritra ireo, fa ny tena mampientam-po momban'izy ireo dia ny fahatanterahan'izany amin'ity taranaka ity, amin'ny androm-piainantsika.
Hitako ny fahatanterahan'ireo teny ireo. Nànana tombony nipetraka tao Jerosalema Jiosy indray aho tamin’ny Mey 1948, rehefa teraka ny Fanjakan’ny Isiraely taorian’ny roa arivo taona. Ankehitriny, dia manangana an’i Jerosalema ny Tompo. Manangona ny Isiraelita babo Izy. Manasitrana ny torotoro fo Izy ary mamehy ny feriny.
Vaovao tsara ho an'izay rehetra miverina amin'Andriamanitra izany. Vaovao tsara ho an’ny Isiraely, vahoakan’Andriamanitra izany. Vaovao tsara ho an’ny fiangonan’i Jesosy Kristy ihany koa izany satria Andriamanitra izay nanangona an’i Isiraely no mamory ny fiangonana ho eo amin’ny Tenany indray, mitondra antsika ho amin’ny lovantsika, manasitrana ny ratrantsika, ary mamehy ny fontsika torotoro.
Misy asa fanompoan’ny Fanahy Masina mitohy izay tena miavaka —asa fanompoana ho an’ireo torotoro fo. Fanompoana ho an’ireo izay maratra ny fony. Raha mitahiry ratra ao anatinao ianao, dia miverena amin’Andriamanitra ary mitenena hoe: “Andriamanitra ô, izao no fotoanan’ny famerenana amin’ny laoniny. Fotoana fanangonana indray izao. Manasitrana ny torotoro fo Ianao. Fehezinao ny feriny. Tompo ô, Fantatrao ny ratra notehiriziko ela tao am-poko. Hanasitrana ahy va Ianao?”
Ary ny rantsan-tànan'Andriamanitra tsy hita maso, ny Fanahy Masina, dia hidina amin’ny tsirairay any amin'izay toerana tsy tratrin’ny mpandidy ary hikasika ilay toerana maratra eo amin'ny fiainanao mba hitondrana fanasitranana sy famerenana amin’ny laoniny.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa manolo-tena ho an'ny Isiraely Ianao. Mifona ho an'io firenena io aho ankehitriny. Manambara aho fa tahaka ny anasitranan’Andriamanitra ny torotoro fo sy ny famehezana ny ratra ho an’ny Isiraely, no Hitondrany fanasitranana sy famerenana amin’ny laoniny ny fiainako, satria tsy hahafoy ny Olony ny Tompo, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-087-MLG









