Mitaky Valiny Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mitaky valiny voafaritra tsara avy amin’ny olony Andriamanitra momba ny fikasany ho an’i Isiraely, ary tsy mahazo mitoetra ho tsy miraika isika. Ny mpaminany Jeremia dia mampiharihary fomba dimy mahery vaika izay andidiana antsika hiray amin’ny Tompo amin’ny vavaka ho an’ny sisa amin’ny olony.
Mino aho fa Andriamanitra dia mitaky valiny avy amin'ny Olony mpino momba ny zavatra Ataony any Isiraely sy Afovoany Atsinanana. Tsy avela hitoetra tsy mitanila isika, tsy miraharaha, na tsy miasa saina. Mitaky valiny Andriamanitra. Ao amin’ny bokin’i Jeremia, ny mpaminany dia nilaza tamintsika izay nandidian’i Tompo antsika:
" Fa izao no lazain'i Jehovah: Mihobia amin'ny fifaliana noho ny amin'i Jakoba, Ary mifalia noho ny amin'ny lohan'ny[na mpanapaka] firenena, Torionareo, deraonareo, ka ataovy hoe: Jehovah ô, vonjeo ny olonao, dia ny sisa amin'ny Isiraely..’” (Jeremia 31:7)
Ny Baiboly Fenitra Amerikana Vaovao dia mivaky toy izao, “torio, derao, ary ataovy hoe ” (andininy faha 7). Raha atambatra ireo dikan-teny roa ireo, dia hitako fa misy valiny dimy takian’Andriamanitra. Amin'ny lafiny iray, dia samy miteny avokoa izy ireo: mihira, mitabataba, midera, mitoria, ary mitenena (na mivavaha).
Inona ilay valintsika? Ny fanangonana ny sisa amin'i Jakoba. Miantefa amin'iza io baiko io? Ny fiangonana, isika izay mino fa ny Baiboly dia Tenin'Andriamanitra ka tokony hankatò izany.
Miangavy antsika hifona ho an'ny Isiraely Andriamanitra. Hoy Izy: “Hampody ny Oloko Aho. Mamory azy ireo indray Aho, ary miangavy anareo mba hiray Amiko sy amin’ny Tanjoko amin’ny alalan’ny vavaka.” Heveriko fa tsy maintsy miatrika izany ho toy ny iray amin’ireo zava-misy mistery momba an’Andriamanitra isika rehetra: rehefa mikasa ny hanao zavatra Izy. Dia hilaza amin’ny Olony hoe Izy: “Mivavaha mba Hataoko izany.” Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia hoy Izy: “Izany no Fikasako, nefa tsy ho tanteraka izany raha tsy mivavaka ianareo.”
Amin'ny maha-Kristiana antsika, dia manana andraikitra lehibe isika mba hanolo-tena tanteraka amin'ny fanatanterahana ny fikasan'Andriamanitra teo amin'ny tantara.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa nanolo-tena ho an'ny Isiraely Ianao. Mifona ho an'io firenena io aho ankehitriny. Manambara aho fa mamerina sy manangona indray ny Olony ny Tompo, ary ampiarahiko amin’ny vavaky ny mpino hafa ny vavaka ataoko. Tsy hahafoy ny Olony ny Tompo, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-091-MLG









