Voavotra!

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Namidy toy ny andevo tao an-tsena isika taloha, tsy nanan-kery mihitsy teo ambany fahefan'ny ota. Fa ny vaovao mahafalin'ny Filazantsara dia izao: niditra tao amin'izany tsena izany i Jesosy, nandoa ny vidiny fara tampony ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana, ary nanavotra antsika ho an'Andriamanitra.
Teo amin'ny hazo fijaliana, Jesosy dia namantatra ny amin'ny zavatra ratsy rehetra izay nataontsika. Ho setrin'izany, dia voavela heloka tanteraka isika ary nafahana tamin'ny herin'ny ratsy.
“ Izy no [Jesosy] ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany.” (Efesiana 1:7)
Rehefa mahazo famelan-keloka isika, dia manana fanavotana; efa navotana isika. Ny hoe avotana dia midika hoe “mividy indray”, na “mba hamonjena”. Tamin’ny alalan’ny fandoavana tamin’ny Rany, izay natao sorona ho antsika, dia nividy antsika indray Jesosy tamin’i Satana ho an’Andriamanitra.
Ao amin’ny Romana 7, i Paoly dia nilaza zavatra izay tsy mazava amin’ny olona izay tsy zatra ny tontolon’ny kolontsaina tamin’ny androny: “Izaho dia nofo, namidy ho ambanin’ny ota” (andininy faha 14). Tsarovy fa ny teny hoe “amidy ambanin’ny ota” dia mifandray amin’ny tsenan’ny andevo Romana. Ny olona namidy ho andevo tsy maintsy nijoro teo amin’ny sakana iray, ary avy teo amin’ny tsato-kazo iray teo ivohony, dia nisy lefona manondro makeo ambonin’ny lohany. Noho izany, hoy i Paoly: “Izaho dia araka ny nofo, namidy ho ambanin’ny lefon’ny fahotako, izay manondro mankeo ambonin’ny lohako. Tsy manana safidy aho. Amidy aho.”
Rehefa andevo ny olona dia tsy manan-tsafidy izy. Ary indray, mety misy vehivavy roa amidy amin'ny tsena iray ihany; ny tompony manao ny iray ho mpahandro, ny iray mivaro-tena. Toy izany koa isika mpanota. Mety ho tsara isika, mpanota mendri-kaja ary manambany ny mpivaro-tena ny mpidoroka zava-mahadomelina. Fa ny tompon'ny andevo no mamaritra ny fanompoan’ny andevo.
Ny vaovao tsara dia ny nandeha teo an-tsenan'ny andevo Jesosy ka nanao hoe: "Hividy azy Aho; Hividy azy Aho. Satana, efa nandoa ny vidiny Aho. Ireo no Zanako lahy sy Zanako vavy." Izany no fanavotana, ary amin’ny alalan’ny famelan-keloka ihany no hahatongavany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, maty teo amin'ny hazo fijaliana ho ahy. Manambara aho fa Jesosy no nividy ahy tamin’i Satana ho an’Andriamanitra. Nofaizina Izy mba hahazoako famelan-keloka, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-093-MLG









