Ny Filàna Famelan-keloka Antsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny Hazofijaliana dia maneho amin’ny fomba kanto ireo lafiny roa amin’ny famelan-keloka izay ilaintsika rehetra: ny mitsangana avy amin’Andriamanitra ary ny mitsivalana mankany amin’ny hafa. Fantaro ny fomba hanafahana anao amin’ny fangidiana sy ny fifandirana eto amin’ity tontolo ity amin’ny alalan’ny fampiharana ireo foto-kevitra manova fiainana avy amin’ny tena famelan-keloka marina.
Inona no mampiavaka ny teny hoe famelan-keloka ary mahafinaritra? Eny ary, diniho ny sasany amin'ireo vokatra azo avy amin'ny famelan-keloka:
- Fampihavanana
- Fiadanana
- Firindrana
- Fahatakarana
- Fiombonana
Na diniho ny sasany amin'ireo voka-dratsin'ny tsy famelan-keloka sy ny hoe tsy voavela heloka:
- Ny mangidy
- Fifandirana
- Tsy firindrana
- Fankahalana
- Ady
Indraindray, dia toa atahorana ho resin’ireny hery ratsy, miiba ireny ny taranak’olombelona. Rehefa mianatra sy mampihatra ny fitsipiky ny famelan-keloka ihany isika no afaka mandositra izany loza izany.
Aoka hotsaroantsika fa misy lalana roa momba ny famelan-keloka naseho ao amin'ny Baiboly. Mampiseho tsara azy ireo ny tandindon’ny finoantsika Kristiana, dia ny hazo fijaliana, izay misy taratra roa — ny iray mitsangana ary ny iray mitsivalana. Ireo taratra ireo dia maneho ny lalana roa amin'ny famelan-keloka: ny taratra mitsangana dia maneho ny famelan-keloka ilaina raisintsika avy amin'Andriamanitra; ny taratra mitsivalana dia maneho ny famelan-keloka ialaina raisintsika avy amin’ny hafa, ary koa ny famelan-keloka tsy maintsy ataontsika. Amin'ny alalan'ny hazo fijaliana ihany no ahatongavan’ny fahasoavana amin'izany karazana famelan-keloka izany.
Ny karazana famelan-keloka ilaintsika sy raisina avy amin’Andriamanitra dia afaka aseho amin’ny fomba mahafinaritra indrindra ao amin’ny Salamo 32:1–2, izay nilazan’i Davida hoe:
"Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny.”
Indray, ny Baiboly dia tsy miresaka momba ny lehilahy tsy mila famelan-keloka. Hita mazava tsara amin’izany fa mila famelan-keloka avy amin’Andriamanitra isika rehetra. Tsy misy maningana. Ny salamo hafa dia milaza amintsika fa tsy misy olona tsy manota (jereo ohatra ny Salamo 14:1–3; 53:1–3). Samy efa nanota isika rehetra. Noho izany dia mila famelan-keloka isika rehetra.
Prayer Response
Misaotra Anao,Jesosy ô , maty teo amin'ny hazo fijaliana ho ahy. Ekeko fa mila famelan-keloka manokana aho, ary manambara aho fa nofaizina i Jesosy mba hahazoako famelan-keloka, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-094-MLG









