Fahasitranana sy Famonjena

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny famonjena dia mihoatra noho ny famelan-keloka fotsiny. Ity boky fandinihana ity dia mampiseho ny fomba nampiasan’i Jesosy ny teny hoe sozo tamin’ny nanasitranany an’i Bartimea sy ilay vehivavy nandeha ra, ka mampiharihary fa ny fanasitranana dia anisan’ny famonjena.
Andao hojerentsika ny toerana sasany ao amin’ny Soratra Masina izay ampiasana ny teny Grika hoe sozo — midika hoe “famonjena”. Tao amin’ny filazantsaran’i Marka, i Jesosy dia nifanena tamin’ny lehilahy jamba iray antsoina hoe Bartimeo teny an-dalana ho any Jeriko (jereo ny Marka 10:46–52).
“ Jesosy namaly azy hoe: Inona no tianao hataoko aminao? Ary hoy ilay jamba taminy: Rabôny ô, ny mba hampahiratina ny masoko.(Marka 10:51)
I Bartimeo, mpangataka jamba, dia nanana saina tokana. Ny hany tadiaviny dia ny hahita ny masony, ary azony izany.
" Ary hoy Jesosy taminy: Mandehana hianao, ny finoanao no efa namonjy anao. Dia nahiratra niaraka tamin’izay ny masony, ka nanaraka an’i Jesosy teny an-dàlana izy.? ” (andininy 52)
Ny dikan-teny Grika ara-bakiteny amin’ny tenin’i Jesosy dia mivaky toy izao: “Ny finoanao no nahavonjy anao”. Izany no famonjena.
Ao amin’ny Lioka 8:43–48, dia mamaky momba ilay vehivavy nandeha ra nankeo ivohon’i Jesosy sy nikasika Azy isika. Tsy te ho fantatra anefa izy, satria araka ny lalàna Jiosy, dia naloto sy tsy afaka nikasika na iza na iza ny marary mitsi-dra. Sadaikatra io vehivavy io, nefa naniry mafy ny fanasitranana izy ka nandika ny Lalàna.
“ Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan’ny vahoaka rehetra izay anton’ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin’izay. Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.’” (andininy 47–48)
Tena mahafinaritra! Ny fahasitranana amin'ny fahajambana sy ny fandehanan-dra dia samy ampahany amin'ny famonjena.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana ary anisan’ny famonjena ny fanasitranana ahy. Manambara aho fa noratraina Jesosy mba hahasitrana ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-100-MLG









