Manala ny Sakana amin'ny Fanasitranana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Misy olana ara-panahy ve afaka misakana ny herin'Andriamanitra manasitrana eo amin'ny fiainan'ny olona iray? Fantaro avy amin'ny Soratra Masina ireo sakana mahazatra ireo, sy ny fomba ananan'i Jesosy Tompo fahefana feno amin'ny aretina rehetra sy ny fanahy ratsy rehetra.
Matetika, ny olana ao am-po sy ny fiainan’ny vahoakan’Andriamanitra dia lasa toy ny sakana amin’ny fanasitranana. Ny sakana fito mahazatra toy izany dia:
- Tsy fahalalana ny Tenin’Andriamanitra (jereo Isaia 5:13; Hosea 4:6);
- Tsy finoana (jereo ny Hebreo 3:12–13);
- Ota tsy nekena (jereo ny Ohabolana 28:13);
- Ny lolompo sy ny tsy famelan-keloka amin’ny hafa (jereo ny Marka 11:25–26);
- Fandraisana anjara amin'ny asan'ny maizina (jereo ny Eksodosy 23:24–26);
- Fanekena tsy araka ny Soratra Masina, izany hoe ny Freemasonry[mamandri-tena] (jereo ny Eksodosy 23:31–33); ary,
- Ny vokatry ny ozona (jereo ny Deoteronomia 28:15–68).
Indraindray ny aretina dia vokatry ny fisian'ny fanahy ratsy na mifandray amin'izany. Andeha isika hijery ohatra iray monja ao amin’ny filazantsaran’i Lioka.
" Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tànana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.
Ary nisy demonia[fanahy ratsy] nivoaka tamin’ny maro ka niantso hoe: Hianao no Zanak’Andriamanitra. Nefa norarany ireo ka tsy navelany hiteny, satria nahalala Azy ho Kristy..” ( Lioka 4:40–41 )
Rehefa miasa ny herin'Andriamanitra mihoatra ny natoraly, dia tsy mahazaka izany intsony ny fanahy ratsy; tsy maintsy mivoaka izy ireo. Misy lalany samy hafa ifandraisan'ny aretina amin’ny fanahy ratsy. Misy fanahin’ny rofy, fanaintainana, kilemaina, ary fahafatesana, raha tsy hilaza afa-tsy efatra. Nifanena tamin’ny vehivavy iray niondrika indroa i Jesosy ka tsy afaka nitsangana mahitsy. Tsy noheveriny ho aretina ara-batana ny toe-pahasalamany, fa nilaza kosa Izy fa voafatotry ny fanahin’ny fahalemena nandritra ny valo ambin’ny folo taona izy.Avy eo, namaha azy tamin’ilay fanahy Izy, dia nitraka niaraka tamin’izay izy (jereo ny Lioka 13:11–13).
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa rehefa miasa ny herin’Andriamanitra mihoatra ny natoraly, dia mianjera ny sakana rehetra amin’ny fanasitranana satria noratraina i Jesosy mba hahasitrana ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-103-MLG









