Ny Fanatitra Tanteraka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Nanao mihoatra noho ny nitondra ny fahotantsika teo amin’ny hazofijaliana fotsiny i Jesosy; nataon’Andriamanitra ho fanatitra noho ny heloka ny fanahiny mihitsy. Ity fifanakalozana mahatalanjona ity no nahatonga antsika ho voamarina tanteraka eo imason’ny Ray.
“Sitraky"ny Tompo ny hamparary an’i Jesosy, na ny manao Azy ho aretina tamin’ny fanorotoroana Azy’'. Notorotoroina hatramin’ny aretina i Jesosy, ara-batana. Notorotoroina ny Vatany, simba, nopotehina—izay teny tianao hampiasaina. Lasa aretina tanteraka teo amin’ny hazo fijaliana Izy.
" Nefa sitrak'i Jehovah[Andriamanitra]ny hanorotoro sy hampangirifiry Azy[Jesosy], Rehefa manolotra fanati-panonerana Izy." ( Isaia 53:10 )
Raha ny teny Anglisy milaza hoe “fanatitra noho ny amin’ny ota”, ny teny Hebreo dia tsy mampiasa afa-tsy teny iray, asham, izay midika hoe “meloka”, “fahotana”, na “fanatitra noho ny ota”. Ao amin’ny fiteny ao amin’ny Testamenta Taloha, dia io teny io ihany no nampiasaina ho an’ny meloka sy ny fanatitra noho ny heloka. Nahoana? Satria teo ambanin’ny lalàn’ny Levita, rehefa nentina ho fanatitra noho ny ota ny biby natao sorona, dia nametraka ny tanany teo amin’ny lohan’ilay biby ilay lehilahy izay natao fanavotana noho ny fahotany, ary niaiky ny fahotany teo ambonin’io biby io, ka nafindrany an’ohatra tamin’ilay biby ny fahotany. Tamin’izany fomba izany, dia nanjary ota niaraka tamin’ny fahotan’ilay lehilahy ny fanatitra noho ny ota. Avy eo, nokarakaraina ilay biby; fa tsy ilay lehilahy no novonoina fa ny biby.
Mazava ho azy, fa maneho ny fahafatesan'i Kristy, izany rehetra izany. Nilaza ny mpanoratra ny Hebreo fa tsy manaisotra ny ota ny ran’omby na ny ran’osy (jereo ny Hebreo 10:4 ). Ny fomba fanaovana sorona dia sary fotsiny nitarika ny fifamindrana izay notanterahina teo amin'ny hazo fijaliana. Fa eto, raha miresaka momba ny tena zava-nitranga, ny Soratra Masina dia milaza fa Andriamanitra nanao ny fanahin'i Jesosy ho ota. Izany no tena dikan’ny hoe “manao ny Fanahiny ho fanatitra noho ny ota”. Nanamafy izany hevitra izany ny apostoly Paoly rehefa nanonona ny Isaia 53:10 ao amin’io andinin-teny io:
" Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika " (2 Korintiana 5:21)
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa Jesosy dia natao ota niaraka tamin’ny fahotako mba hahatonga ahy ho marina amin’ny Fahamarinany, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-108-MLG









