Ny Mpisolo Tena Mahagaga Antsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mba hanafahana antsika amin'ny fanandevozan'ny ota sy ny fahafatesana, dia nandray tanteraka ny maha-olombelona antsika Jesosy Kristy tamin'ny nandraisany ny nofo sy ny rantsika. Nitondra ny fahotantsika tao amin'ny vatany teo amin'ny hazo fijaliana Izy, ary tamin'ny alalan'ny dian-kapoka nahazo Azy no omena antsika ny fahafahana sy ny fanasitranana feno.
Andao hojerentsika ny Soratra Masina sasany miresaka momba ny fomba nanehoan’i Kristy ny Tenany tamin’ny taranak’olombelona sy nanafoana ny helony.
" Koa satria manana nofo aman-dra ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin’ny fahafatesana ilay manana ny herin’ny fahafatesana--dia ny devoly--ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin’ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.”. ( Hebreo 2:14–15 , )
Rehefa nikomy i Adama, fa tsy ho mpanjaka, dia lasa andevo izy — voafatotr’i Satana, fahafatesana, ary simba. Tsy afaka intsony izy. Mba hanafahana ny olombelona amin’izany fanandevozana izany anefa, dia naka ny endriky ny maha-olombelona Azy Jesosy Tenany, dia ny toetran’i Adama. Naka nofo sy ra mitovy izay ananako sy ianao ny Tenany mba Handringanany an’ilay mitana ny fahafatesana, izany hoe, ny devoly-- avy amin’ny herin’ny Fahafatesany-- ary hanafaka antsika rehetra izay nihazona ny fiainantsika manontolo amin'ny fanandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana. Teo amin’ny hazo fijaliana, no nitondran’i Jesosy Tenany ny toetran’ny olombelona lavo sy ny fahotany. Izany koa no voalaza ao amin’ny 1 Petera 2:24 :
“Izy [Jesosy] nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana; ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo”
Teo amin'ny hazo fijaliana, Jesosy dia tanteraka tamin'ny fahotantsika sy ny helotsika. Izy no lasa fanati-panonerana heloka lehibe farany nanala ny ota sy ny heloky ny taranak’olombelona. Izy no nitondra ny fahotantsika sy ny famaizana antsika. Ny ratrantsika dia tonga Ratrany, ary maty ny fahafatesantsika Izy. Nofoanany ny heloky ny fikomiana amin’ny maha-solontenantsika, Adama farany, nihantona teo amin’ny hazo fijaliana, nandatsaka ny ran’Ainany, nanolotra ny Tenany manontolo mba hanavotra antsika.
Prayer Response
Misaotra Anao,Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa nanolotra ny Tenanao tanteraka Ianao mba hanavotra ahy, ary Jesosy dia maty ny amin’ny fahafatesako mba hahazoako ny Fiainany, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-115-MLG









