Ny Fifanakalozana Tanteraka

Dries Du Plessis
Published: 2008
Last Updated: October 2026
Read Time: 2
Jesosy no tonga mpikomy teo amin’ny toerantsika, nitondra ny vesatry ny fahotantsika sy ny henatra rehetra teo amin’ny Hazo fijaliana. Amin’ny alalan’ity fifanakalozana masina ity, ny fitahiana rehetra avy amin’ny fankatoavany tonga lafatra dia atolotra antsika maimaim-poana ankehitriny raha mino fotsiny isika.
“Isika rehetra dia efa nania tahaka ny ondry; samy efa nivily ho amin’ny lalany avy isika”. ( Isaia 53:6 )
Ity andalana ity dia azo fintinina amin'ny teny iray: fikomiana. Fahotana mahazatra iombonan’ny olombelona rehetra izany. Nanohy ny teniny ny mpaminany hoe: “Ary nataon’ny Tompo Taminy [Jesosy] ny helotsika rehetra” (andininy 6). Ny teny hoe heloka (hebreo: avon) dia midika hoe “fikomiana”, “famaizana noho ny fikomiana”, ary “ny voka-dratsy rehetra ateraky ny fikomiana”. Teo amin’ny hazo fijaliana, i Jesosy—ilay mpisolo toerana antsika, ilay Adama farany—dia tonga mpikomy tamin’ny fikomiantsika ary niaritra ny voka-dratsy rehetra ateraky ny fikomiana.
Ity no varavaran'ny trano fitehirizan'Andriamanitra, raha azontsika takarina. Izao no takalony: Ny ratsy rehetra izay mendrika ho fikomiantsika dia tonga tamin’i Jesosy-- mba hatolotra antsika ny soa rehetra mendrika Azy—noho ny Fankatoavany tanteraka. Na inona na inona fomba fijerintsika an'io fifanakalozana io, dia tanteraka izany. Nofaizina i Jesosy mba hahazoantsika famelan-keloka. Noratraina Izy mba hahasitrana antsika. Nitondra ny fahotantsika Izy mba hizarantsika ny Fahamarinany. Maty ny fahafatesantsika Izy mba hizarantsika ny Fiainany. Natao ozona Izy mba hahazoantsika ny fitahiana. Niaritra ny fahantrantsika Izy mba hizarantsika ny Habetsahany. Nitondra ny henatrantsika Izy mba hananantsika ny Voninahiny. Niaritra ny fandavana antsika Izy mba hananantsika ny Fanekeny.
Alaivo sary an-tsaina fotsiny ilay mpikomy teo amin'ny hazo fijaliana ary fantaro fa ianao no mpikomy—eny tokoa, tokony mihantona eo ianao. Fa Jesosy no nisolo toerana anao. Tsy vitan’ny hoe nizaka ny fikomianao Izy, fa nizaka ny voka-dratsiny rehetra koa mba hahazoanao miditra hoany amin’ireo fitahiana rehetra avy amin’ny Fankatoavany tonga lafatra. Izany no fahasoavana miasa. Tsy afaka mahazo an'izany ianao, tsy mendrika izany, ary tsy manana fitakiana amin'izany ianao. Tsy misy afa-tsy fomba iray ahazoana izany, dia ny finoana. Minoa fotsiny ihany.
*Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa Jesosy dia maty ny amin’ny fahafatesako mba hahazoako ny Fiainany, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-119-MLG









