Ny Mpitantana ny Fitahiana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny tantaran'ny mpanompon'i Abrahama ao amin'ny Testamenta Taloha dia mampiharihary ny anjara asa lehibe sahanin'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainan'ny mpino ankehitriny. Izy no hany mpitantana ny lovantsika avy amin'Andriamanitra Ray, ary amin'ny alalany ihany no ahafahantsika mandray ny fitahiana rehetra nampanantenaina ao amin'i Kristy.
Ny Fanahy Masina no mpitantana ny lova rehetra momba ny “ny fitahiana an’i Abrahama” (Galatiana 3:14). Ao amin’ny Genesisy 24, isika dia mahita tantara mahafinaritra iray manazava an’izany marina. Ny tantara dia milaza ny fomba nahazoan’i Abrahama vady ho an’i Isaka zanany. Ity dia fanoharana tsotra nefa tena mahafinaritra amin’ny mpilalalao efatra lehibe ity, ka ny telo amin’izy ireo dia ireto manaraka ireto: Abrahama, izay misolo tena an’Andriamanitra Ray; Isaka, zanak’i Abrahama, izay misolo tena an’i Jesosy, ilay Zanaka lahitokan’Andriamanitra; ary Rebeka, ilay ampakarina, izay misolo tena ny fiangonana (ny ampakarin’i Kristy). Misy olona iray hafa, ary izy, raha ny marina, no mpilalao fototra. Izany toetra izany dia ilay mpanompo tsy fantatra anarana, izay misolo tena ny Fanahy Masina. Raha mamaky an’ilay toko ao an-tsaina manokana isika amin’ireo toetra ireo, dia hampiharihary marina saingy tsy misy fetra amintsika izany.
Mariho fa eo amin’ny fiandohan’ny toko, dia milaza fa ny zava-drehetran’i Abrahama dia teo ambany fahefan’ilay mpanompo. Izy no mpitantana ny fanànana manontolon’i Abrahama rainy sy Isaka zanany. Marina koa, izany ny amin’ny Fanahy Masina; Izy no mpitantana ny harenan’Andriamanitra Ray manontolo. Mpandova an’Andriamanitra isika ary mpiara-mandova amin’i Jesosy Kristy. Fa ny Fanahy Masina no mpitantana ny lovantsika. Ankoatra ny Fanahy Masina dia tsy afaka mahazo na misitraka ny lovantsika isika.
Rehefa miresaka momban’ny lovantsika amin’ny maha-zanak’i Abrahama antsika ny Baiboly, dia miresaka manokana momba ny fandraisana ny fampanantenan’ny Fanahy, izay hany afaka mitondra antsika ho amin’ny fitahiana rehetra izay lovantsika. Ny fitahiana an’i Abrahama dia “amin’ny zavatra rehetra” (Genesisy 24:1), fa ny Fanahy Masina no mpitantana ny fitahiana. Noho izany dia nilaza manokana i Paoly ao amin’ny Galatiana ny amin’ny fandraisana ny fampanantenan’ny Fanahy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa ny Fanahy Masina no mpitantana ny lovako, ary mandray ny fampanantenan’ny Fanahy aho amin’ny alalan’ny finoana—“ny fitahiana an’i Abrahama” amin’ny zava-drehetra — satria natao ozona i Jesosy mba hidirako ho any amin’ny fitahiana, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-124-MLG









