"Ny Fampanantenan'ny Raiko"

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny Baiboly dia mirakitra fampanantenan'Andriamanitra an'arivony, nefa i Jesosy Kristy dia nifidy iray mihoatra noho ny hafa rehetra ho ilay Fampanantenan'ny Ray. Fantaro ny fomba hanomezana anao maimaim-poana itỳ fitahiana faratampony itỳ, izay novidina tamin'ny alalan'ny sorona nataony teo amin'ny Hazo fijaliana, amin'ny alalan'ny finoana fotsiny.
Ny fandraisan'ny mpino ny fanomezana ny Fanahy Masina dia tsy miankina amin'ny fomba rehetra amin'ny fahamendrehany manokana; miankina amin’ny fahafenoan’ny fanavotan’i Kristy irery ihany izany. Amin’ny alalan’ny finoana izany, fa tsy amin’ny asa, “mba hahazoantsika ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy amin’ny alaln’ny finoana” (Galatiana 3:14).
Ity hevitra ity dia mifanaraka amin'ny fiampangana farany nataon'i Jesosy tamin'ny Mpianany talohan'ny Niakarany tany an-danitra:
“Ary, indro, Izaho mampitondra ny teny fikasan’ny Raiko ho anareo; fa mitoera eto an-tanàna mandra-panafiana anareo amin’ny hery avy any amin’ny avo.” (Lioka 24:49)
Ny momban’ny batisan'ny Fanahy Masina izay horaisin'ny mpianatra amin'ny Pentekosta no noresahin'i Jesosy.
Ny andian-teny hoe “Ny Teny Fikasan’ny Raiko” dia manome antsika fahatakarana mahatalanjona momba ny saina sy ny tanjon’Andriamanitra Ray momba ny fanomezana ny Fanahy Masina. Nisy olona nanombantombana tsara fa ny Baiboly dia mirakitra fampanantenana fito arivo miavaka nomen’Andriamanitra ny Olony mino. Fa tamin’ireo, dia nosokajian’i Jesosy iray monja amin’ny sisa rehetra ho tsy manam-paharoa: ny fampanantenana ny Fanahy.
Nantsoin’i Paoly hoe “fitahiana an’i Abrahama” izany (Galatiana 3:14), ka nampifandray izany tamin’ny fikasan’Andriamanitra ambony indrindra tamin’ny nifidianany an’i Abrahama ho Azy. Rehefa niantso an’i Abrahama voalohany hiala tao Ora Andriamanitra, dia hoy Izy:
“Hitahy anao Aho… ho fitahiana tokoa hianao... Ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 12:2–3)
Tamin'ny fifandraisany tamin'i Abrahama, dia nanamafy im-betsaka ny Fikasany Andriamanitra.
“Hitahy anao tokoa Aho... Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” ( Genesisy 22:17–18 )
Ireo fampanantenan’Andriamanitra rehetra ireo dia niandrandra ny tenin’i Paoly hoe: “ny teny fikasana ny amin’ny Fanahy” (Galatiana 3:14). Nandatsaka ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy mba hividianana izany fitahiana izany, nampanantenaina ny taranak’i Abrahama.
Prayer Response
Misaotra Anoa,Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa nandatsaka ny Rany teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy mba hividianana ny fitahiana an’i Abrahama—izay Nantsoiny hoe “Ny Teny Fikasan’ny Raiko”—ary mandray ny fampanantenana voatahy avy amin’ny Fanahy Masina aho, satria natao ozona i Jesosy mba hidirako ho any amin’ ny fitahiana, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-125-MLG









