Fandrerahan’ ny Ozona

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Fanambarana mahery vaika avy amin'ny Fanahy Masina no mampiseho ny fomba namaranan'i Jesosy ny lafiny rehetra amin'ny ozon'ny fahantrana teo amin'ny Hazo fijaliana. Nentiny ny hanoanantsika, ny hetahetantsika, ny fitanjahantsika, ary ny tsi-fananantsika mba handraisantsika ny fitahian'ny fanambinan'i Abrahama amin'ny zavatra rehetra.
Nitondra ny ozon'ny fahantrana i Jesosy, izay aseho amin'ny endriny feno indrindra ao amin'ny Deoteronomia 28:48:
" Any amin'ny fahanoanana sy ny hetaheta sy ny fitanjahana any ny tsi-fananana na inona na inona no hanompoanao ny fahavalonao izay hampandehanin'i Jehovah hiady aminao."
Taona vitsivitsy lasa izay, raha teo am-pitoriana momba ny famatsiana ara-bola avy amin’Andriamanitra aho, dia nahazo fanambarana avy amin’ny Fanahy Masina izay nihoatra ny zavatra rehetra tao amin’ilay rindran-damina nomaniko. Raha nanohy nijoro teo anoloan’ny olona aho ka niresaka tamin’izy ireo, dia nahita fahitana an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana aho. Hitako teo Izy tamin'ny zava-misy marina rehetra voalazan'ny Soratra Masina. Ny Fanahy Masina dia nandinika ny lafiny efatra amin'ny ozona ny fahantrana ho ahy, tsirairay avy, naneho ahy fa i Jesosy dia nandreraka tanteraka ny ozona tamin'ny lafiny rehetra.
Voalohany, noana Izy—rehefa noentina nohomboana tamin’ny hazo fijaliana Izy, dia tsy nihinana efa ho efatra amby roapolo ora Izy. Faharoa, nangetaheta Izy—“mangetaheta Aho” amin’ny iray tamin’ireo Teniny farany. Faha telo, nitanjaka Izy—nesorin’ny miaramila Romana ny Fitafiany rehetra ary nozarainy tamin’izy ireo izany. Faha efatra, tsy nanana ny zava-drehetra Izy—tsy nanana akanjo hiakanjo rehefa maty Izy, ary tsy nanana fasana handevenana any aoriana.
Tsy nanana na inona na inona i Jesosy. Nahoana? Satria tao amin’ny fikasan’Andriamanitra masina, no Nandraisany ny ozon’ny fahantrana ho antsika. Tamin’ny voalohany, dia tsy tsapako tanteraka ny hevitr’izay nasehon’ny Fanahy Masina tamiko. Rehefa manao jery todika, anefa aho dia tsy maintsy milaza fa io fanambarana io dia nanome ahy ny fototry ny finoako ho amin’ny fanambinana. Tamin’ny farany tanteraka tamin’ny fifanakalozana, Jesosy dia nandray ny ozon’ny fahantrana mba hahazoantsika ny fitahiana an’i Abrahama, izay notahin’Andriamanitra “amin’ny zavatra rehetra” (Genesisy 24:1), izay tarihin’ny Fanahy Masina.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy, noho ny asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Ambarako fa nofoananao tanteraka ho ahy ny ozon’ny fahantrana amin’ny endriny rehetra, satria niaritra ny fahantrako i Jesosy mba handraisako anjara amin’ny fahalalahany. Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-127-MLG









