Mikarakara ny Mahantra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ambaran'ny Baiboly fa ny toe-pontsika manoloana ny mahantra dia mariky ny tena fahamarinana ary mampiseho ny toetry ny fontsika. Mampianatra ny Soratra Masina fa rehefa mamindra fo amin'izay sahirana isika, dia mampindrana amin'ny Tompo mihitsy, Izay mampanantena fa hamaly izay nomentsika.
Omaly, dia nandinika toe-tsaina ratsy efatra momba ny vola isika. Mbola misy toe-tsaina iray hafa tokony hotandremantsika, ary izany dia fihetsika tsy mety amin’ny mahantra. Mampitandrina antsika tsy tapaka ny Baiboly mba tsy hanao tsinontsinona na fanararaotana ny mahantra.
Betsaka ny andinin-teny ao amin'ny Soratra Masina momba an'io foto-kevitra io, saingy hojerentsika ny andininy maromaro ao amin'ny Ohabolana:
“Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'Izay mamindra fo amin'ny ory!.” ( Ohabolana 14:21 )
"Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.." ( Ohabolana 19:17 )
"Izay manentsin-tadìny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina." ( Ohabolana 21:13 )
"Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be." ( Ohabolana 28:27 )
"Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena." ( Ohabolana 29:7 )
Ireo andininy ireo—sy ny hafa mitovy amin'izy ireo—dia mametraka andraikitra lehibe ho antsika mba hikarakara izay ilain'ny mahantra. Anisan’ny mariky ny fahamarinana ny fandinihana famantarana ny anton’ny mahantra. Mifanohitra amin’izany, ny faharatsiana dia ny fanalana fotsiny ny maso amin’ny fahorian’ny mahantra. Fanampin'izany,dia misy valisoa ampanantenaina momba ny fikarakarana ny mahantra. Rehefa manome ho an’ny mahantra isika, hoy i Solomona, dia mampisambotra an’i Jehovah. Rehefa manefa ny trosantsika ny Tompo, dia tsy manadino ny zanabola Izy!
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa hiahy izay ilain'ny malahelo aho, ary hiahy azy aho, satria Jesosy niaritra ny fahantrako mba hizarako ny Habetsahany, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy , Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-132-MLG









