Ny Fifaliana Napetraka Teo Anoloany

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Jesosy no mpanoratra mahatoky ny finoantsika, Izay mampanantena hanatontosa ny asa natombony tao amin’ny olony. Niaritra an-tsitrapo ny henatra fara tampony tamin’ny hazofijaliana Izy, satria hitany ny fifaliana lehibe amin’ny fitondrana anao ho any amin’ny voninahitra.
Ny Hebreo 12:2 dia miantso an’i Jesosy ho “Mpanoratra sy Mpanefa ny finoantsika”. Io andinin-teny io ihany koa ao amin’ny Vaovao Maneran-tany ary Vaovao Amerikana Miovaova Dikan-teny Baiboly dia manondro an’i Jesosy ho “Mpamorona sy Mpanefa” ny finoantsika.
Avelao aho hamporisika anao amin'ireo teny ireo. Na inona na inona hanombohan’i Jesosy, dia Hotanterahiny. Raha nanomboka zavatra tao anatinao Izy, dia hamita izany Izy. Izany no Fahatokiany fa tsy ny fahakingantsika.
Notohizan’ny Hebreo 12:2, Jesosy nilaza fa, “Izay naharitra ny hazo fijaliana, fa tsy nitandro henatra, mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo Anoloany, ka dia efa mipetraka eo amin’ny ankavanan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra Izy.” Teo amin’ny hazo fijaliana, dia niaritra henatra i Jesosy, saingy tsy Navelany hanakana Azy izany. Noho ny fifaliana napetraka teo Anoloany, dia tsy Noheveriny ho antony mendrika hialana amin’ny Fikasany ny henatra. Inona ilay “fifaliana napetraka teo Anoloany”? Fifaliana mitondra zanakalahy maro ho amin'ny voninahitra. Mba hitondrana ahy sy ianao—ary olona an-tapitrisany maro toa antsika—ho amin’ny voninahitra, dia niaritra ny henatry ny hazo fijaliana i Jesosy Kristy.
Tsy misy endrika fahafatesana mahamenatra noho ny fanomboana. Mahamenatra satria io no sazy faran'izay ambany indrindra natokana ho an'ireo mpanao heloka be vava indrindra. Mahamenatra noho ny fomba nitrangan'ny fahafatesana. Milaza mazava ny Soratra Masina fa nesorin’ny miaramila Romana teo Aminy ny fitafian’i Jesosy rehetra. Nahantona niboridana teo amin’ny hazo fijaliana teo imason’ny olona nandritra ny adiny telo na mihoatra i Jesosy. Nandalo ny olona ary naneso Azy. Inona no ho tsapanao amin’izany toe-javatra izany? Amin'ny teny tokana: mahamenatra. Niaritra ny henatra Jesosy satria Hitany fa amin’ny alalan’izany, no Ahafahany mitondra antsika ho amin’ny voninahitra.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa Jesosy dia niaritra ny henatra mba hitondra zanaka maro ho amin'ny voninahitra. Noho ny hafaliana napetraka teo Anoloany’, Jesosy dia nitondra ny henatro mba hizarako ny Voninahiny, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-137-MLG









