Fanafody ho an'ny Fandavana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fanaintainan'ny fandavana dia mety hamela antsika ho torotoro fo sy tsy hahavita handray na haneho fitiavana marina. Manana vahaolana mahafinaritra Andriamanitra amin'ny alalan'ny Hazofijalian'i Kristy, izay manokatra ny lalana ho antsika mba ho sitrana tanteraka sy ho ekeny.
Mino aho fa ny vokatra voalohany amin'ny fandavana dia ny tsy fahafahana mandray na mampita fitiavana. Tsy misy amintsika afaka mampita fitiavana raha tsy efa nahazo fitiavana aloha. Io hevitra io dia nataon’i Jaona ao amin’ny Testamenta Vaovao, rehefa nanoratra hoe:
“Isika tia, satria Izy efa tia antsika taloha.” (1 Jaona 4:19)
Tsy mino aho fa misy olona afaka mitia raha tsy efa tiana aloha izy.Noho izany, Tsy afaka mampita fitiavana àry ny olona mbola tsy tiana.
Ny vokatra faharoa amin'ny fandavana dia ireo fomba telo lehibe iheveran'ny olona ny fandavana: voalohany, misy ny olona manaiky; faharoa, misy ilay olona mitana; ary fahatelo, misy ilay olona miady. Ireo fomba telo hanehoana ny fandavana ireo dia manana zavatra iray itovizana. Ny tsirairay dia miaro tena, manolotra fomba iray hanafenana ny ratra. Tsy misy amin'izy ireo no vahaolana tsara. Manana vahaolana tsara anefa, Andriamanitra.
Ao amin’ny Isaia 61:1, isika dia mahita fampanantenana izay tanteraka tamin’ny fiavian’i Jesosy Mesia:
"Ny Fanahin'i Jehovah Tompo no ato amiko, satria Jehovah efa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin'ny mpandefitra, efa naniraka Ahy hahasitrana* ny torotoro fo Izy, ary hitory fanafahana amin'ny babo sy hamoaka ny ao an-trano-maizina ho amin'ny mazava.”
Ho fahatanterahan'io teny fikasana io, dia nanome fanafody ho an'ny fandavana Andriamanitra. Tonga amintsika amin’ny alalan’i Jesosy sy ny hazo fijaliana izany. Ny tanjona mandrakizain’Andriamanitra, na dia talohan’ny nahariana aza, dia ny hahatonga antsika ho Zanany—Zanany lahy sy Zanany vavy. Rehefa nitondra ny fahotantsika Jesosy ka niaritra ny fandavana antsika, dia nanokatra ny lalana ho amin’ny faneken’Ilay izay tena manan-danja tokoa ny fanekena antsika Izy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa miala amin'ny vokatry ny fandavana aho, ka mandray ny fanafodin'Andriamanitra ho ahy ao amin'i Jesosy Kristy Mesia. Manambara aho fa niaritra ny fandavako i Jesosy mba hananako ny Fanekeny amin’ny Ray, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-142-MLG









