Fiainana ara-batana: Fiainana amin'ny Fitsanganan Velona

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ilay Fanahy nampitsangana an'i Jesosy tamin'ny maty dia vonona hitondra ny fiainany sy ny fahasalamany ho an'ny tenanao ara-batana anio. Ianaro ny fomba fiasan'izany herin'ny fitsanganana amin'ny maty izany ao anatinao ankehitriny, izay manome toky koa fa ny tenanao mety maty dia hitafy ny tsy fahafatesana indray andro any.
Jesosy dia nanandrana fahafatesana tamin'ny lafiny rehetra tamin'ny olona rehetra mba hananantsika fiainana amin'ny lafiny rehetra. Noresahina omaly, ny lafiny voalohany, dia ny fiainam-panahy. Hojerentsika anio, ny lafiny faharoa, dia ny fiainana ara-batana. Ity fiainana ity dia tonga amin'ny dingana roa mifandimby. Voalohany, manana fiainana ao amin’ny ara-batana ny vatantsika ankehitriny. Fa ny tenantsika dia mety maty; araka izany, faharoa, amin’ny fitsanganana amin’ny maty, ny vatantsika dia hovana ho vatana tsy mety maty.
" Ary raha ny Fanahin’Izay nanangana an’i Jesosy tamin’ny maty no mitoetra ao anatinareo, dia Izay nanangana an’i Kristy Jesosy tamin’ny maty ,no hamelona ny tenanareo mety maty amin’ny Fanahiny, Izay mitoetra ao anatinareo.”( Romana 8:11 )
Isika tsirairay dia manana vatana mety maty miaraka amin'ny fianan’ny fitsanganana amin'ny maty. Nofo mety maty, vatana mety maty, fa ny fianan’ny fitsanganana amin’ny maty no miseho ao anatiny. Tsy miasa ao anatiny fotsiny, fa miseho ao anaty. Raha tsy miresaka momba ny fanasitranana masina sy ny tanjaka ara-batana masina ary ny vitamina, ity andininy ity dia tsy azoko ireo teny ireo! Tsy izay anefa no fehin-kevitra. Ny fehin-kevitra dia vatana niova. Nanoratra toy izao momba io vatana niova io i Paoly:
“Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra, fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra; fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lo intsony, ary isika hovana. Fa ity mety lo ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe:”Ny fahafatesana noresena ka levona”” ( 1 Korintiana 15:51–54 )
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa noho i Jesosy nanandrana fahafatesana ho ahy, dia manana ny fiainana aho - ny fitsanganana amin'ny maty ankehitriny sy ny fiainana mandrakizay. Manambara aho fa notapahin’i Jesosy fahafatesana mba ho hikambanako amin’Andriamanitra mandrakizay, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-149-MLG









