Mandrakizay Miaraka amin'Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fanantenana faratampony ho an’ny mpino rehetra dia ny fahatanterahana be voninahitry ny fanavotana antsika, rehefa miverina ny Tompo tenany haka ny fiangonany. Hakarina isika hihaona Aminy ary hiara-mitoetra amin’Andriamanitra mandrakizay ao amin’ny lanitra vaovao sy tany vaovao, izay hitoerany eo amin’ny olony.
Ny lafiny fahatelo amin’ny fiainana izay ananantsika ao amin’i Kristy dia ny fahatanterahan’ny asan’i Jesosy any amin’ny mandrakizay—mandrakizay lany eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy hoe voaroaka mandrakizay any amin’ny helo.
"Fa ny tenan'ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin'ny fiantsoana sy ny feon'ny arikanjely ary ny trompetran'Andriamanitra, ka izay maty ao amin'i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka aminy ho eny amin'ny rahona hitsena ny Tompo any amin'ny habakabaka; dia ho any amin'ny Tompo mandrakariva isika.” ( 1 Tesaloniana 4:16–17 )
Ny fahatanterahan'ny fanavotana dia ny mandrakizay eo anatrehan'Andriamanitra. Ny toko roa farany amin’ny Apokalypsy dia mamaritra ny maha mandrakizay antsika eo anatrehan’Andriamanitra:
“Ary nahita lanitra vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony. Ary nahita aho fa, indro, ny tanàna masina, dia Jerosalema vaovao, nidina avy any an-danitra tamin'Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin'ny vadiny.” ( Apokalypsy 21:1–2 )
Mino aho fa ny Jerosalema Vaovao dia ilay fiangonana midina avy any an-danitra. Ary izany no toeram-ponen’Andriamanitra maharitra. Iray amin’ireo fikasan’Andriamanitra ambony indrindra ao amin’ny fiangonana ny fananana toeram-ponenana izay Ahafahany miaina mandrakizay. Hoy ny andininy faha-3:
" Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabernakelin'Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny.”
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa hanana ny mandrakizay eo anatrehan’Andriamanitra fa tsy ho voaroaka, satria notapahin’ i Jesosy mba hikambanako amin’Andriamanitra mandrakizay, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-150-MLG









