Fiombonana amin'ny Mpamorona

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Namorona anao ho manana fizarana telo Andriamanitra: fanahy, aina, ary vatana. Fantaro ny fomba namoronana manokana ny fanahinao mba hananana fiombonana amin’ny Tompo sy ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manazava ny maha-ianao anao manontolo.
Ao amin’ny 1 Tesaloniana 5:23, dia nivavaka i Paoly:
“Ary Andriamanitry ny fiadanana anie Hahamasina anareo samy ho tanteraka; ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo.”
I Paoly eto dia niara-nanangona ireo singa telo izay mamorona ny maha-olombelona manokana, ka mihaino azy ireo araka ny filaharana avy any ambony ka hatrany ambany: voalohany, fanahy; faharoa,aina; fahatelo, vatana.
Ny fanahy dia ampahany amin’ny toetra maha olombelona izay noforonin’Andriamanitra mivantana tao anatin’ny olombelona tamin’ny famoronana. Izy io dia afaka miray sy mifandray mivantana amin’ilay Mpahary. Hoy i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 6:17:
"Izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray Aminy."
Tsy mety ny miteny hoe “fanahy iray Aminy”. Ny fanahin’ny olona irery ihany no afaka mifandray mivantana amin’Andriamanitra. Ao amin’ny rafitrin’ny famoronana tany am-boalohany, ny fanahin’ny olona dia mifandray makany ambony amin’Andriamanitra, Mpahary azy, ary midina amin’ny aina izay azy. Nifandray mivantana amin’ny fanahin’ny olona ary, amin’ny alalan’ny fanahin’ny olona,miaraka amin’ny ainy Andriamanitra. Miaraka, ny fanahy sy ny ain’ny olona maneho ny tenan’izy ireo amin’ny alalan’ny tenany.
Mamelà ahy hanome anao famaritana telo momban’ny fiasan'ny fanahy, ny aina, ary ny vatana — famaritana izay tsotra nefa tsy latsa-danja amin'izany. Mahatsiaro an'Andriamanitra ny fanahy. Ny aina dia mahatsiaro-tena. Ary mahatsiaro an’ izao tontolo izao ny vatana. Amin’ny alalan’ny fanahy, no ahatsiarovantsika an’Andriamanitra. Ao amin'ny aintsika dia mahatsiaro tena isika. Ary amin'ny alalan'ny vatantsika sy ny sainy, dia mifandray amin'ny tontolo manodidina antsika isika.
Rehefa tafaray amin’Andriamanitra indray ny fanahin’ny olona, dia mirehitra indray ka tonga jiro. Miditra ny Fanahy Masina ary mameno an’io jiro io, manazava ny ao anatin’ny olona iray manontolo. (Jereo ny Ohabolana 20:27).
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa tafaray mivantana amin’ny Mpahary ahy, satria notapahin’i Jesosy ny fahafatesana mba ho tafakambana amin’Andriamanitra mandrakizay, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-152-MLG









