Fiankohofana: Ny Fahatanterahana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fiankohofana dia tsy fanampiny fotsiny amin'ny fiainana kristiana, fa ny fara tampony sy ny fahatanterahan'ny fanambadiantsika amin'ny Tompo. Ity firaisana masina amin'Andriamanitra ity no manome hery antsika hamoa ny vokatry ny Fanahy, ka miaina amin'ny alalan'ny fifandraisana fa tsy amin'ny alalan'ny ezaka.
Ao amin’ny Jaona 4:23–24, Jesosy dia nilaza fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka Aminy amin’ny fanahy sy amin’ny marina. Ny fanompoam-pivavahana dia fiasan'ny fanahy. Inona no asa iraisantsika amin’ny Tompo amin’ny maha fanahy iray antsika? Fivavahana. Izany no mahatonga ny fanompoam-pivavahana ho asa ambony indrindra amin’ny olombelona.
Rehefa miray amin’ny Tompo amin’ny fanompoam-pivavahana isika, dia miseho tanteraka ny zavatra tian’Andriamanitra havoaka. Ny fanompoam-pivavahana dia tsy toy ny fanampiny amin’ny fiainana Kristiana. Tsy zavatra eritreretina, na fanampiny tsotra fotsiny amin’ny andraikitrantsika. Ny fanompoam-pivavahana no fara-tampony — izany no fanamafisana. Raha azoko atao ny milaza izany tsy manafintohina na iza na iza, dia ny fanompoam-pivavahana no fahatanterahan'ny fanambadiantsika amin'ny Tompo. Mampiray antsika Aminy ho fanahy iray izany. Rehefa manana izany firaisana ara-panambadiana izany isika, ny katsahina amin’izany dia ny mba hananana taranaka. Amin’izay fotoana izay isika no miteraka; izany no hamoazantsika voa ara-panahy. Ny"vokatry ny Fanahy," midika ao amin’ny Galatiana 5:22–23:“ izay tanisaiko ny vokatry ny fanahy”: “… fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po, fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana, fahalemem-panahy, fifehezan-tena;”
Tsy mila fehezin’ny lalàna ny olona mitondra ireo karazana voankazo voalaza ao amin’io andalana io tsy mila mpitantana avy amin’ny lalana.Tsy ambanin’ny lalàna izy ireo. Nandositra tamin’ny fanambadian’ny nofo teo ambanin’ny lalàna izy ireo, ary afaka ny hanambady amin’ny alalan’ny Fanahy Masina amin’ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty sy hitondra ny karazana voa mifanaraka amin’izany firaisana izany. Ny fanalahidin’ny fiainana Kristiana dia tsy ny ezaka. Fa ny firaisana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny Asanao teo amin’ny hazo fijaliana. Manambara aho fa rehefa mivavaka amin’ny Tompo, dia miray Aminy amin’ny fanahy iray aho. Manambara aho fa notapahin’i Jesosy ny fahafatesana mba hikambanako amin’Andriamanitra mandrakizay, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-154-MLG









