Tsy Hisy Na Inona Na Inona Hanisy Ratsy Antsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Nanafaka anao tamin'ny fanjakan'ny haizina Andriamanitra ary namindra anao ho ao amin'ny Fanjakan'ny Zanany malalany. Ny asa fanavotana nataon'i Jesosy Kristy dia manome anao fahefana feno amin'ny herin'ny fahavalo rehetra.
“Sady nahafaka [Andriamanitra] antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.” (Kolosiana 1:13–14)
Tamin’ny alalan’ny finoantsika an’i Jesosy sy ny soron’ny Fahafatesany, no nanafahan’Andriamanitra antsika tamin’ny fanjakan’ny aizina. Mariho io teny fanjakana io. Amin'ny teny Grika, dia fahefana. Manana fahefana amin’izay tsy mankatò, sy tsy mino, ary tsy voavonjy i Satana. Fa tamin’ny alalan’i Jesosy, no nanafahan’Andriamanitra antsika tamin’ny fanjakan’ny maizina sy namindrana antsika ho amin’ny fanjakan’ny Zanany Malalany, izay ananantsika fanavotana.
Mariho io teny fanalahidy fanavotana io. Voavidy indray isika. Tsy eo ambanin’ny herin’ny ozona intsony, noho ilay fahafatesana manavotra sy ny ra nalatsak’i Jesosy Kristy.
"Izao no nisehoan'ny Zanak'Andriamanitra, dia ny handrava ny asan'ny devoly." (1 Jaona 3:8)
Nahoana i Jesosy no tonga? Mba handrava ny asan’ny devoly. Anisan'izany ny ozona!
"Indro, efa nomeko fahefana hanitsaka menarana sy maingoka sy handresy ny hery rehetra ananan'ny fahavalo hianareo, ka tsy hisy hampaninona anareo akory." (Lioka 10:19)
Mety hanan-kery i Satana, nefa nomen’i Jesosy fahefana mihoatra ny an’ny Satana isika, mba “tsy hisy haninona [antsika] antsika.”
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny Famelanao. Manambara aho fa Jesosy no nanafaka ahy tamin’ny fanjakan’ny maizina, ary efa Nomeny fahefana amin’ny herin’i Satana rehetra aho, mba “tsy hisy handratra ahy akory”. Voavela heloka ary afaka amin'ny fahotako aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-156-MLG









